Aller au contenu

Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Okraina (1917–1921)

Ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana dia fanjakana tsy naharitra ela tany Eorôpa Atsinanana. Talohan' ny nanambaràna ny fijoroany, ny Filankevitra Foiben' i Okraina (okrainiana: Українська Центральна Рада / Ukrainska Tsentralna Rada) dia voafidy tamin' ny Marsa 1917 vokatry ny Revôlisiônan' ny Febroary, ary tamin' ny volana Jona dia nanambara ny fizakan-tena okrainiana ao Rosia. Izany fizakan-tena izany dia neken' ny governemanta vonjimaika rosiana. Taorian' ny Revôlisiônan' ny Ôktôbra, ny Filankevitra Foiben' i Okraina dia nanameloka ny fandrobana ny fahefana nataon' ny Bôlsevika ary nanambara ny fijoroan' ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana izay nanana fizaràn-tany ahitana ny faritry ny governorata imperialy rosiana valo (Kyev, Volhynia, Kharkov, Kherson, Yekaterinoslav, Poltava, Chernigov ary Podolia). Nanambara tamin' ny fomba ôfisialy ny fahaleovantenany avy amin' i Rosia izy tamin' ny 22 Janoary 1918.

Toerana misy ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana

Nandritra ny fotoana fohy nisiany dia nandalo fiovana ara-pôlitika maro ilay repoblika – nanomboka amin' ny repoblika mirona amin' ny sôsialisma tarihin' ny Filankevitra Foiben' i Okraina miaraka amin' ny Sekretarià Jeneraly (okrainiana: Генеральний секретаріат / Heneralnyi sekretariat), mankamin' ny repoblika sôsialista tarihin' ny Direktôrata (okrainiana: Директорія / Dyrektoriia) sy i Symon Petliura. Teo anelanelan' ny volana Avrily sy Desambra 1918 dia naato ny fahefana sôsialista ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana, rehefa nazeran' ny Fanjakana Okrainiana (okrainiana: (okrainiana: Українська Держава / Ukrainska Derzhava) mpomba an' i Alemaina notarihin' i Pavlo Skoropadskyi, izay voafidy ho Hetman an' i Okraina manontolo (okrainiana: Гетьман усієї України / Hetman usiiei Ukrainy) nandritra ny kôngresin' ny tantsaha. Taorian' ny firodanan' ny Fanjakana Okrainiana dia nanambara ny firaisany amin' ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana Andrefana ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana tamin' ny Janoary 1919. Taorian' ny Ady Pôlôney-Okrainiana dia nisy ny fanaovana sonia fifanarahana tamin' ny Repoblika Pôlôney Faharoa. Tamin' ny 10 Nôvambra 1920 dia namoy ny sisa tavela tamin' ny fizaràn-tany amin' ny Bôlsevika ilay fanjakana. Ny Fandriam-pahaleman' i Riga tamin' ny 18 Marsa 1921 teo amin' i Pôlônia, i Rosia Sôvietika (misolo tena an' i Belarosia Sôvietika) ary i Okraina Sôvietika no nandraikitra ny fiafaran' ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana.

Taorian' ny Revôlisiônan' ny Ôktôbra dia governemanta maro no niforona tao amin' ny tanim-pirenen' i Okraina, indrindra fa ny Repoblika Entim-Bahoaka Sôvietika Okrainiana izay niorina tao Kharkov, sy ny Sôviety mpandimby azy. Ity hery ity, miaraka amin' ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana, ny Hetsika Fotsy, i Pôlônia, ireo Tafika Maitso ary ny Anarsista, dia niady tsy an-kijanona, izany dia niafara amin' ny famoizana aina maro teo amin' ny Okrainiana nandray anjara amin' ny Ady ho an' ny Fahaleovantena Okrainiana tao anatin' ny Ady an-trano rosiana izay mivelatra kokoa tamin' ny taona 1917 hatramin' ny 1923. I Rosia Sôvietika dia nanitatra ny fifehezany tamin' izay ho lasa Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Okraina, izay lasa mpikambana mpanorina ny Firaisana Sôvietika tamin' ny taona 1922.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]