Aller au contenu

Bôlsevika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Bôlsevisma)
Fihaonan' ny Antoko Bôlsevika tamin' ny taona 1920

Ny Bôlsevika dia ankolafy ankavia indrindra ao amin' ny antoko marksista Antokon' ny Mpiasa Sôsialy-Demôkratin' i Rosia, izay notarihin' i Vladimir Lenin, ary ny iray kosa dia ny Mensevika (Menchevik). Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe большевики / bolsheviki, avy amin' ny teny hoe большинство / bolshinstvo, izay midika hoe "maro anisa".

Niforona tamin' ny taona 1903 teo ambany fitarihan' i Lenin ny ankolafy bôlsevika. Izy no maro anisa tao amin' ny Antokon' ny Mpiasa Sôsialy-Demôkratin' i Rosia, ka avy amin' izany io anarany amin' ny teny rosiana io, ary lasa antoko nahaleo tena izy tamin' ny taona 1912. Nanohana ny fikambanan' ny antokon' ny revôlisiônera matihanina ny Bôlsevika, mifanohitra amin' ny Mensevika izay antokon' ny sarambabem-bahoaka, manodidina an' i Julius Martov, misokatra ho an' ny maro ny fidirana ho mpikambana ao aminy.

Taorian' ny Revôlisiôna Rosiana tamin' ny Febroary 1917 dia nandray ny fahefana tamin' ny anaran' ny Sôviety tamin' ny Ôktôbra 1917 ho anisan' ny Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia ny Bôlsevika. Tamin' ny Marsa 1918 dia novana anarana hoe "Antoko Kômonista" ny Antoko Bôlsevika. Taorian' ny niorenan' ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika (na Firaisana Sôvietika) tamin' ny taona 1922 dia lasa Antoko Kômonistan' ny Firaisana Sôvietika izy io, ary nanampy hatramin' ny taona 1952 amin' io anarana io ny mpamari-toetra hoe "Bôlsevika" (atao anaty fononteny).