Aller au contenu

Tafika Mena

Avy amin'i Wikipedia
Famantaran' ny Tafika Mena

Ny Tafika Mena dia tafika natsangana tao amin' ny Empira Rosiana teo aloha tamin' ny alalan' ny fahefana bôlsevika vaovao, taorian' ny Revôlisiônan' ny Ôktôbra, mba hiadiana amin' ny fanoherana ny revôlisiôna nataon' ny Tafika Fotsy izay tohanan' ny firenena vahiny (Frantsa, Fanjakana Mitambatra, Tsekôslôvakia, Etazonia, Empiran' i Japàna). Ny teny hoe "mena" dia manana heviny revôlisiônera.

Amin' ny teny rosiana ny Tafika Mena dia atao hoe Красная армия / Krasnaia armia ("Tafika mena"), na Рабоче-крестьянская Красная армия / Rabotche-krestianskaia Krasnaia armiia ("Tafika menan' ny mpiasa sy ny tantsaha").

Miaramila sôvietika tamin' ny Marsa 1992

Tamin' ny taona 1946, herintaona taorian' ny nifaranan' ny Ady Lehibe Faharoa, io tafika io, raha nitazona ny anaram-bositra hoe "Tafika Mena" tany Andrefana, dia naka ny anarana ôfisialy hoe Tafika Sôvietika (Советская армия / Sovietskaia armia), izay notazoniny mandra-pahatongan' ny taona 1946. Rava ny Firaisana Sôvietika tamin' ny Desambra 1991 ka lasa Tafika mitam-piadiana ao amin' ny Federasiônan' i Rosia (Вооружённые силы Российской Федерации / Voorujionnye sily Rossiiskoi Federatsii) io tafika io.