Dniepr

Avy amin'i Wikipedia
I Dniepr any Kiev, Okraina.

I Dniepr na Dnipro dia ony sady lalam-pifandraisana manan-danja any Okraina sy Belarosia ary Rosia. Izy, izay manana halavany mirefy 2 290 km eo ho eo, no renirano fahatelo lava indrindra any Eorôpa; i Volga sy i Danube ihany no lava kokoa noho izy. I Dniepr dia mipoitra any atsimo-andrefan' i Môskoa, eo amin' ny Lembalemba Valdai; mikoriana mianatsimo izy io amin' ny ankapobeny ka mivarina any amin' ny Ranomasina Mainty akaikin' i Cherson any Okraina.

Amin' ny teny belôrosiana izy dia atao hoe Дняпро / Dnyapro na Днепр / Dnyepr; amin' ny teny rosiana: Днепр / Dniepr; amin' ny teny okrainiana: Дніпро / Dnipro na Дніпр / Dnipr (amin' ny tononkalo).

I Dniepr dia afaka ivezivezena amin' ny sambo manerana ny halavany manontolo ary tsy misy ranomandry mandritra ny valo volana amin' ny taona. Ao Kyiv (na Kiev), eo amoron' i Dniepr, no niova fo ho amin' ny kristianisma grika i Vladimir I tamin' ny taona 988; ny mponin' i Kiev rehetra dia natao batisa niaraka taminy.

I Dniepr dia manondraka faritra 500 000 km2 eo ho eo. Ny ilany ambony amin' ilay ony dia mikoriana amin' ny ampahany mamakibaky faritra be havoana ary manaraka ny faran' ny atsinanana amin' ny honahona Pripet. Ny ampahany afovoany sy ambany dia mandalo amin' ny faritra fambolena lonaka sy be taozavabaventy any Okraina, izay ahatraran' ny sakany ny refy ambony indrindra: 2 km eo ho eo. Ny sakelidrano lehibe indrindra amin' i Dniepr dia i Berezina, i Desna ary i Pripet. I Kiev no tanàna lehibe eo amoron' i Dniepr. I Kherson, i Zaporizhia, i Dnipropetrovsk, ary I Dniprodzerjinsk any Okraina, i Magilev any Belarosia, ary i Smolensk any Rosia koa dia tondrahan' ilay ony. Any ambony avy any Zaporizhia, tobim-pamokarana herinaratra lehibe amin' ny rano no mamatsy angovo ireo tanàna amoron-rano any ambany. Ny voamadinika sy ny hazo ary ny metaly dia taterina amin' ny alalan' i Dniepr.

Taloha, i Dniepr dia lalana lehibe ho an' ny varotra tao amin' ny faritra avaratra sy atsimo amin' i Eorôpa Atsinanana. Noho ny fipoiran' ny sambo lehibe kokoa dia nihena ny lanjan' i Dniepr teo amin' ny varotra, indrindra noho ny tsy fahafahana mivezivezy amin' ny rian-dranon' i Zaporizhia. Azo natao tamin' ny 1932 ny fifamoivoizana manaraka ny lavan' ilay ony, rehefa vita ny tohodrano lehibe Dniepr (DniproHES) sy ny tobin-kerinaratra eo an-tampon' i Zaporizhia. Ny tohodrano dia nanampy tamin' ny fampiakarana ny haavon' ny rano mba hanalefaka ny rian-drano maria sy hahafahan' ny sambo handeha soa aman-tsara. Ny fanamboarana lakandrano mampitohy an' i Dniepr amin' i Bug Andrefana, sy ny lakandrano maro mampitohy an' i Berezina sy i Daugava ary an' i Pripet sy i Niemen dia nahatonga an' i Dniepr ho lalam-pifandraisana an-drenirano mampitohy ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Baltika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]