Aller au contenu

Ady momba ny Etona eo amin' i Rosia sy i Okraina

Avy amin'i Wikipedia
Fantson' etona lehibe avy any Rosia mankany Eorôpa tamin' ny Marsa 2021

Ny Ady momba ny Etona eo amin' i Rosia sy i Okraina dia fifandirana samihafa teo amin' i Rosia sy i Okraina momba ny vidy sy ny fitsinjarana ny etona voajanahary avy any Rosia sy mandalo any Okraina. Noho ny fantraikan' izany zava-nitranha izany amin' ny mponina any amin' ny firenena samihafa ao amin' ny Vondrona Eorôpeana tamin' ny taona 2009, dia manana lanjany ara-jeôpôlitika lehibe ny Ady momba ny Etona. Ohatra, tany Eorôpa Afovoany sy Eorôpa Atsinanana, tamin' ny 16 Janoary 2009, dia orinasa an-jatony no nikatona ary olona an-tapitrisany no tsy nahazo fanafanana.