Eorôpa Afovoany
Ny Eorôpa Afovoany dia faritan'i Eorôpa eo anelanelan'ny Eorôpa Atsinanana sy ny Eorôpa Andrefana. Ny tenenina hoe Eorôpa Afovoany dia tsy ilay afovoany ara-jeografian'i Eorôpa fa ny afovoany ara-tantara.
Ireo firenena azo sokajiana ao amin'ny faritan' Eorôpa Afovoany dia ny Alemaina, ny Aotrisy, ny Hongaria, ny Pôlônia, ny Repoblika Tseky, ny Silôvenia ary ny Krôasia.
Ny Krôasia sy ny Romania koa tsindraindray dia sokajiana ao main'ny firenen' Eoropa Afovoany, ny Krôasia dia ao amin'ny faritan'ny Balkana. Araka ny OTAN, ny Romania dia lazainy fa firenena ao amin'ny faritra atsinanan'i Eorôpa, na dia, nohon'ny antony ara-tantara sy ara-kolontsaina, sokajian'ny tantarata ho ao amin'ny faritan'ny Balkana aza izy; ny faritra andrefana sy atsimon'i Romania izao dia mety ho ao amin'ny faritany afovoan' Eorôpa, noho ireo faritany tao amin'ny Empira Aostrô-Hongariana tamin'ny Andro Taloha.
Ny Alzasy ny Laoraina koa dia ao amin'ny faritan' Eoropa Afovoany, raha jerena ny fianjadiana ara-kolontsaina sy ara-tantara (amin'ny lafin'ny fiteny, ny fomba sns.).
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Ireo faritra ao Eorôpa[hanova | hanova ny fango]
- Eorôpa Afovoany
- Eorôpa Afovoany sy Atsinanana
- Eorôpa Atsinanana
- Eorôpa Andrefana
- Eorôpa Avaratra
- Eorôpa Avaratra Atsinanana
- Eorôpa Avarfatra Andrefana
- Eorôpa Atsimo
- Eorôpa Atsimo Atsinanana
- Eorôpa Atsimo Andrefana
Boky[hanova | hanova ny fango]
- P. Michel (sous la dir.), L'Europe centrale : la mélancolie du réel, Autrement-CERI, Paris, 2004.
- J.-P. Pagé (sous la dir. de), Tableau de bord des pays d'Europe centrale et orientale 2004 (t. 2 : Europe orientale), Ny diniky ny CERI, no 112, Paris, 2004
- J-Y Potel, Les cent portes de l'Europe centrale et orientale, Avoakan'i Atelier, Paris, 1998.
- É. Lhomel (sous la dir. de), Europe centrale et orientale : dix ans de transformations, Les Études de la Documentation française, Paris, 2000
- I. Bibo, Misère des petits États d'Europe de l'Est, Albin Michel, Paris, 1992