Parisy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Paris)
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Tanàna ao Frantsa ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Parisy
-
Velarantany NC
Isam-ponina 2,181,371 mponina
Tanànan-dehibe 11,174,740
Ben'ny tanàna Anne Hidalgo
Firenena Frantsa Frantsa
Faritany Île-de-France
Faritra NC

Parisy dia tanàna renivohitr'i Frantsa. Izy ny tanàna ngeza indrindra any Frantsa, izy ny renivohi-toeran'i Île-de-France, ary Paris intra-muros irery no Commune-Departement any Frantsa. Eo amin'ny vondro-milefaka voalohany indrindra ny la Seine i Paris, eo ampivoan'ny Bassin Parisien, any anirany no misy ny vinanindrano anelanelan'ny Marne sy ny Seine. Any anavan'i Paris no misy ny Oise. Parizianina any anaran'ny olona mipetraka any Paris.

Tamin'ny taonjato faha 17, Parisy ny renivohitry ny fahefana voalohany eoropeana, tamin'ny taonjato faha 18 izy renivohitra ara-kolontsain'i Eoropa ary tamin'ny taonjato faha 19 izy renivohitra ny taozavatra sy ny fahafaliana. Tamin'ny 2008, raha kaontiana daholo ny trano ipetrahana rehetra, 28 tapitrisa ny isan'ny mpandendeha tao Paris, araka ny lazain'ny Office de Tourisme sy ny Kongresa ny renivohitra frantsay.

Paris ny renivohitra ara-toe-karenan'i Frantsa.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Fantatra fa efa nisy nipetraka teo amin'ny toeran'i Paris ankehitriny efatra enina arivo taona teny aloha (-4000 - -3800) tamin'ny lafy ankavia ny la Seine taloha eo amin'ny toerana misy ny arrondissement faha 12 ankehitriny. Nisy olona foana teo tamin'ny Neôlitika.

Efa hita fa efa nisy vohitra tany Bercy 2400 taona tany aloha, misy lakana anaty ranom-potaka tamin'izany fotoana izany, ary afaka jereina any amin'ny Musée Carnavelet any Parisy.

Zanabohitra[hanova | hanova ny fango]