Voanjo (olona)
Apparence
Ny voanjo dia olona nifindra monina any amin' ny faritra iray ary nanorina trano fonenana maharitra any, matetika manan-tanjona hanjanaka ilay faritra. Ny mpanjanaka dia izay mitantana ny zanatany nefa mahazo tombony amin' izany, toy ny mpampiasa vola kapitalista. Ny voanjo kosa dia napetraky ny mpanjanaka amin' io tany io, dia ny mpanjanaka izay mamolavola ny jeôgrafiany, sy mandamina ny pôlitikany ary mizara ny asa ao aminy.