Aller au contenu

Kolikoly

Avy amin'i Wikipedia
Fifaharahan' ny Firenena Mikambana manohitra ny kolikoly

Ny kolikoly dia fandikan-dalàna ataon' ny olona na fikambanana nomena fahefana, mba hahazoana tombony tsy ara-dalàna, na fanararaotana ny fahefany mba hahazoana tombontsoa manokana. Amin' ny teny malagasy dia atao hoe tsolotra na risoriso na fahalovana koa ny kolikoly. Izany dia fifanarahana tsy ara-dalàna miseho eo amin' ny ankolafy anankiroa, amin' ny alalan' ny fanolorana fanomezana na vola tsy ara-dalàna ho tambin' ny asa na fanomezana tombondahiny tsy ara-dalàna ihany koa.

Mety hiseho amin' ny endrika maro ny kolikoly, ao anatin' izany ny fanodinkodinam-bola, ary mety hahitana fomba fanao tsy voararan' ny lalàna any amin' ny firenena maro. Mitranga ny kolikoly ara-pôlitika rehefa misy mpiasam-panjakana na olona ampiasain' ny governemanta amin' ny fomba ôfisialy no manao hetsika hahazoana tombontsoa manokana. Amin' ny ankapobeny dia mitondra mankany amin' ny fitomboan' ny haren' ilay olona na fikambanana mpanao kolikoly (vondrona mafia, orinasa, sns.) ny kolikoly ara-pôlitika. Fanao azo heverina ho tsy ara-dalàna izany arakaraka ny sehatra heverina (raharaham-barotra, fandraharahana, pôlitika, sns) saingy miavaka ity karazany iray ity satria tanterahina amin' ny fomba tsy azoana fantarina na tsy azo ampangaina.

Takelaby iray ao Zambia izay milaza hoe: Aza miresaka kolikoly

Azo sokajiana amin' ny fomba maro ny kolikoly, ka anisan' izany ny kolikoly madinika (miseho amin' ny sarambabem-bahoaka, izay vola kely ihany no sarany raha oharina amin' ny faharoa) sy ny kolikoly vaventy (izay mety hisy tambajotrany mihitsy, miseho eo amin' ny orinasa lehibe sy ny manam-pahefana na mpitondra fanjakana ambony, ary volabe an-tapitrisany maro no mihodina amin' izany). Samy manimba firenena avokoa rehefa endrika kolikoly.

Ny kolikoly dia mahakasika olona manana fahefana handray fanapahan-kevitra, na olo-malaza ara-pôlitika, na mpiasam-panjakana, na mpiasa ambony ao amin' ny orinasa tsy miankina, na mpitsabo, na mpitsara lalao fanatanjahan-tena, na mpanao fanatanjahan-tena, na sendikalista na ny fikambanana misy ilay sendikalista.

Fandaharana ny firenena araka ny tondrom-pahatsapana kolikoly

[hanova | hanova ny fango]
Sarintany maneho ny tondro maneran-tany momba ny fahitana kolikoly tamin' ny taona 2022 araka ny Transparency International.

Namoaka ny tondrom-pahatsapana kolikoly (anglisy: Corruption Perception Index, CPI) ny Transparency International nanomboka tamin' ny taona 1995. Manasokajy ny firenena araka ny halehiben' ny kolikoly hitany izy ireo, ka mametaka tondro 0 hatramin' ny 100 (ny isa aotra dia midika fa tonga amin' ny fara tampony ny kolikoly, ary isa 100 dia midika tsy fisiana kolikoly tanteraka). Nandahatra firenena sy fizaràn-tany miisa 180 ny tondro tamin' ny 2022. Ny isa 43 no tondro salany amin' ny kolikoly. Be kolikoly ny roa ampahatelon' ny firenena sy ny fizaràn-tany nodinihina. Nanamarika ny Transparency International fa firenena maro no tsy misy fandrosoana amin' ny fampihenana ny kolikoly nandritra ny folo taona mahery.

Indreto ny firenena folo manana tondro ambony indrindra tamin' ny taona 2022, araka ny filaharany: i Danemarka (laharana voalohany), i Finlandy, i Zelandy Vaovao, i Nôrvezy, i Singaporo, i Soeda, i Soisa, i Nederlandy, i Alemaina, ary i Irlandy. Ny firenena folo manana tondro ambany indrindra tamin' ny taona 2022 kosa, manomboka amin' ny faran' ny laharana, dia i Sômalia, i Siria, i Sodàna Atsimo, i Venezoela, i Iemena, i Libia, i Kôrea Avaratra, i Haity, i Ginea Ekoatôrialy ary i Borondy. Ao amin' ny lisitra iray manomboka amin' ny firenena manana tondro avo indrindra mankany amin' ny manana tondro ambany indrindra, tamin' ny taona 2022, dia laharana faha-14 i Kanada, faha-18 i Belzika, faha-21 i Frantsa, faha-24 i Etazonia, faha-41 i Italia, faha-65 i Sina, faha-85 i India, faha-94 i Brezila, ary faha-137 i Rosia.

Ahafaha-manasokajy ny firenena araka ny halehiben' ny fahamarinany ny tondrom-pahatsapana kolikoly izay volavolain' ny Transparency International, ka mahazo isa 0 ny firenena na fizaràn-tany tsy valahara indrindra, fa mahazo 100 kosa ny tena vanona. Tamin' ny fisehoany voalohany tao amin' ny lisitra, dia nahazo ny laharan' ny firenena mpanao kolikoly indrindra avy hatrany i Kôrea Avaratra, izay mitovy laharana amin' i Sômalia. Miteraka adihevitra ny Transparency International satria ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ihany no heveriny fa ny any amin’ ny sehatra tsy miankina kosa dia tsy raharahainy.

Kolikoly eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Taona vitsy taorian' ny nandraisan' ny filoha Marc Ravalomanana ny fitondrana dia nanangana sehatra maro hiadiana amin' io kolikoly fanetriben' ny firenena io. Nitsangana teto Madagasikara ary ny Conseil Supérieur de Lutte Contre la Corruption (CSLCC) (Filankevitra Ambony momba ny Ady amin' ny Kolikoly), dia nisy koa ny Bianco (Birao Mahaleotena Iadiana amin' ny Kolikoly) sy ny Famak.

Manome fanakilasiana ny firenena eran-tany momba ny vesatry ny kolikoly ao aminy ny Transparency International. Na dia teo aza ny fitsanganan' ireo birao sy filankevitra ireo dia tsy nampihatsara ny laharan' i Madagasikara izany fa vao mainka aza nihemotra izy tamin' ny taona 2005.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]