Transparency International
Ny Transparency International (TI) dia ONG iraisam-pirenena miady amin' ny kolikoly, indrindra ny kolikoly ataon' ny governemanta sy ny fitondram-panjakana.
Ahitana sampana any amin' ny firenena maherin' ny 80 izy, anisan' izany i Madagasikara, ary manana fitanan-tsoratra foibe. Tamin' ny voalohany dia fikambanana alemanina ihany izy, fa nony nivelatra dia nanjary fikambanana iraisam-pirenena; ary nivoatra tsikelikely hanana rafitra fikambanana demôkratika manontolo. Izao no fanambarany momba ny tenany:
- Ny Transparency International dia fikambanana tsy miankina manolo-tena ho mpamaky lay amin' ny ady amin' ny kolikoly. Ny tanjony dia ny hanokatra fifanakalozana hahafahana manorina tontolo tsy ahitana kolikoly.
Tsy manao ny firenena tavaratra ho efa lasa lavitra amin' ny resaka ady amin' ny kolikoly izy, fa miezaka mampiseho ny olana rehetra momba ny kolikoly eran-tany kosa.
Mamoaka tatitra isan-taona momba ny kolikoly ny Transparency International, ao ny tatitra ankapobeny momba ny kolikoly ary indrindra koa ny tahan' ny fiantraikan' ny kolikoly isaky ny firenena.
Na izany aza dia kianin' ny olona sasany ihany ny valim-pikarohana avoakany momba ny kolikoly noho ny fanadihadiana miankina amin' ny fijery manokan' ny olona anontaniana, izay tsy voatery ho fijery mahitsy. Ankoatr' izay dia tsy voatery hitovy akory ny famaritana ny atao hoe kolikoly isaky ny firenena: ny fanomezana mety ho ara-dalàna any amin' ny firenena iray dia mety ho tsy ara-dalàna any amin' ny firenena hafa; toraka izany koa, ny fikafika azo leferina any amin' ny firenena iray dia mety ho kolikoly avo lenta any amin' ny firenena hafa.
I Peter Eigen no nanorina ny Transparency International sady filohany hatramin' ny niforonany ka hatramin' ny taona 2005, ary i Huguette Labelle kosa no nandimby azy nanomboka tamin' io taona io.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Sehatra ofisialin'ny Transparency International
- Tatitra eran-tany momba ny kolikoly tamin'ny taona 2005 Archived Aprily 3, 2005 at the Wayback Machine
- Tahan'ny fiantraikan'ny kolikoly, taona 2005 Archived Mey 12, 2008 at the Wayback Machine