Kolikoly eto Madagasikara
Ny kolikoly, amin' ny heviny ankapobeny, dia fanararaotam-pahefana atao mba hahazoana tombontsoa manokana izay tsy ara-dalàna. Izany fampiasana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana mba hahazoana tombontsoa manokana izany dia manimba ny tombontsoan' ny daholobe. Olana manjaka eto Madagasikara ny kolikoly izay miantraika amin' ny sehatra rehetra eo amin' ny fiarahamonina malagasy, manomboka amin' ny fanaovana pôlitika sy eo amin' ny toekarena ka hatrany amin' ny Fitsarana. Misy vokany ratsy eo amin' ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiadanan' ny mponina ao aminy ity olana ity.
Matetika dia tsy mahomby sady tsy mangarahara ny fomba fiasan' ny andrim-panjakana sy ny raharaham-panjakana eto Madagasikara ka manamora ny fanaovana kolikoly. Manosika ny olona sasany hiroso amin' ny fanaovana kolikoly koa ny fahantrana satria izany no heveriny fa hanatsara ny momba azy na ny fidiram-bolany. Matetika dia leferina, na misy mamporisika mihitsy aza, ny kolikoly eto Madagasikara, hany ka mahazo vahana ny tsimatimanota eo amin' ny fanaovana kolikoly. Manosika amin' ny fanaovana kolikoly koa ny tsy fisian' ny mangarahara eo amin' ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Manana anjara toerana lehibe amin' ny fanaovana kolikoly ny tambajotra pôlitika izay miaro ny mpanao kolikoly izay mampandroso ny tombontsoany.
Miteraka fanodinkodinana ny harem-bahoaka izay tokony hampiasaina hamatsiana ny tetikasa fampandrosoana ny kolikoly. Mampitombo ny tsy fitoviana ara-tsôsialy ity fanao mamohehetra ity amin' ny fampitomboany ny haren' ny olom-bitsy izay mampahantra ny sarambabem-bahoaka. Miteraka fahapotehan' ny asa sahanin' ny fanjakana ho an' ny daholobe koa ny kolikoly, anisan' ireo asa ireo ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny famatsiana angovo sy rano. Ity fanao ity koa dia mampikorosy fahana ny fanjakana tan-dalàna ary mampihena ny fitokisan' ny olom-pirenena ny fanjakana sy ny andrim-panjakana ao aminy.
Sarotra ny miady amin' ny kolikoly eto Madagasikara noho ny tsy fahampian' ny finiavana pôlitika izay tokony hatanjaka sy haharitra. Manampy trotraka koa ny fanoherana ataon' ny tambajotra mpanao kolikoly amin' ny alalan' ny fametrahany paikady fiarovan-tena sy fitazonany ny tombontsoany. Anisan' ny mahasarotra ny ady amin' ny kolikoly koa ny tsy fahampian' ny vola sy ny fitaovana ary ny olona, na dia mety hisy aza ny finiavana hanatanteraka ny ady.