Jeôgrafian' i Okraina

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tanin' i Okraina eo anivon' izao tontolo izao
Sarin-tanin' i Okraina (miloko mavo ny faitra fehezin' i Rosia)

Ny jeôgrafian' i Okraina dia andalinana ny tanim-pirenen' i Okraina, izay firenena any Eorôpa Atsinanana, manana morontsiraka any atsimony eo amin' ny Ranomasina Mainty, mizara sisin-tany amin' i Rosia any atsinanana, amin' i Bielôrosia any avaratra ary amin' i Pôlônia, i Slôvakia, i Romania, i Hôngria, i Môldavia any andrefana. Ny velaran' i Okraina dia 603 700 km2, izay mahatonga azy io ho firenena faharoa lehibe indrindra any Eorôpa aorian' i Rosia.

Lemaka midadasika misy tany mainty lonaka ny ankabezan’ ny tanin' i Okraina. Manerinerina any andrefana ny Tandavan-tendrombohitra Karpatiana. Any atsimo, ny Saikinosy Krimea izay manasaraka ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasin' i Azov. Ny renirano lehibe ao amin' io firenena dia i Dniepr, i Dniestr, i Danube, i Donets ary i Bug Atsimo izay samy mikoriana mianatsimo any amin' ny Ranomasina Mainty.

Ny vohon' ny tany sy ny rano ary ny toetany[hanova | hanova ny fango]

Vohon' ny tany[hanova | hanova ny fango]

Vohon-tanin' i Okraina

Ny ampahany be amin' ny tanin' i Okraina dia ahitana lemaka midadasika misy tany mainty (chernozem), tsy dia mikintoana (saika fisaka), izay latsaky ny 300 m eo ho eo ny haavony. Ny tapany andefana amin' i Okraina, izay eo amoron' i Dniepr, sady tondrahan' ny ony lehibe ao amin' io firenena io, dia manana vohon-tany miavaka kokoa noho ny fisian' ny lembalemban' i Podolia, eo anelanelan' i Dniestr sy i Bug Atsimo. Eo amin’ ny farany andrefan’ i Okraina no misy ny tandavan-tendrombohitra Karpatiana sy ny tendrombohitra avo indrindra amin’ io firenena io, dia ny Tendrombohitra Goverla (2 061 m), ary any avaratra-andrefana kosa no misy lempona be heniheny sy ala mikitroka, dia ny Henihenin' i Polesie.

Ny faritra atsimo-atsinanan' ny Saikinosy Krimea dia misy tandavan-tendrombohitra miray zotra manana tampona miefy 1 545 m. Mirinerina eo amin' ny lemaka amorontsiraky ny Ranomasina Mainty izy ireo.

Korian-drano[hanova | hanova ny fango]

Ny faritra atsinanana sy atsimo dia miavaka noho ny fisian' ny tambajotran-drenirano tsy dia makitroka.

Ny renirano Dniepr mandalo ao Kiev

Ny ankamaroan' ny renirano lehibe ao Okraina dia mikoriana mianatsimo mankany amin' ny Ranomasina Mainty; anisan' izany i Dniepr any afovoan' i Okraina, i Bug Atsimo sy i Dniestr any andrefana, i Danube any amin' ny farany atsimo ary i Donets any atsinanana. Mikoriana mianavaratra i Bug Andrefana, izay sakeli-dranon' i Vistula (any Pôlônia) ary sakeli-dranon' ny Ranomasina Baltika.

Toetany[hanova | hanova ny fango]

Toetanin' i Okraina, mizara faritra telo

Ny toetanin' i Okraina dia toetanin-tanibe mafana fa ny toetrandro amin' ny faritra atsimon' i Mediteranea kosa no manjaka any amin' ny faritra atsimon' i Krimea. Ny mari-pana amin' ny ririnina dia miovaova eo anelanelan' ny -8 °C sy 2 °C, raha eo anelanelan' ny 17 °C sy 25 °C ny mari-pana amin' ny fahavaratra. Mivaingana indraindray ny rano amorontsiraky ny Ranomasina Mainty rehefa ririnina.

Mihena avy any avaratra mianatsimo ny rotsak’ orana. Ao amin' ny Tandavan-tendrombohitra Karpatiana no be orana indrindra, mihoatra ny 1 500 mm isan-taona. Ambany kosa izany any amin' ny lemaka amorontsiraky ny Ranomasina Mainty, ka ny salany dia eo amin' ny 300 mm isan-taona.

Any atsinanan' i Okraina ny lemaka eo anelanelan' i Dniepr sy ny Ranomasin' i Azov dia iharan' ny hain-tany indraindray ary mila fanondrahan-drano lehibe.

Ny zavamaniry sy ny biby ary ny ambanhin' ny tany[hanova | hanova ny fango]

Zavamaniry sy biby[hanova | hanova ny fango]

Ny zava-maniry voajanahary ao Okraina dia mizara telo araka ny haavon' ny toerana miohatra amin' ny ranomasina: ny faritra misy ala mifangaro ao amin' ny ampahatelony avaratra amin' ilay firenena; ny faritra misy ala-fatrana eo afovoany, ary ao ny faritra lemaka ao amin' ny ampahahatelo atsimo. Ankehitriny anefa dia efa nodiovina sy novolena ny ankamaroan’ ny tany.

Karazam-biby maro no hita any Okraina: ny serfa, kastôro, martra, ny voltora mainty eoraziana, ny voromahery ary ny vano volondavenona.

Ambanin' ny tany sy ny nofon-tany[hanova | hanova ny fango]

Ny tany mainty dia tena tombony ho an' ny fambolena okrainiana any amin' ny faritra voatondraka tsara indrindra ao amin' io firenena io, izay natokana ho an' ny fambolena voamadinika amin' ny tany midadasika.

Any amin' ny ilany atsinanana indrindra no ahitana harena an-kibon' ny tany any Okraina. I Donbass dia misy vy sy arintany miharo tara ary antrasita. Any akaikiny, ao amin' ny faritra Nikopol dia ahitana ny iray amin' ireo tahiri-manganezy lehibe indrindra eran-tany. Misy ihany koa ny tahirin-titanina, baoksita, merkiora, siravato ary solifara. Efa lany amin' ny ampahany ankehitriny ny tahirin-tsolika sy etona ao Okraina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]