Voltora mainty eoraziana

Avy amin'i Wikipedia
Voltora mainty eoraziana mainty lehibe eo ankavia ary tanora eo ankavanana

Ny voltora mainty eoraziana na voltora moanina (Aegypius monachus) dia isan' ny karazana vorona mpihaza sy mpihinana fatim-biby, mandeha amin' ny andro, ao amin' ny fianakaviana Accipitridae. Any amin' ny faritra atsimo amin' i Eorazia no misy azy. Tsy misy afa-tsy vondrona telo izay sisa na nampidirina indray any Eorôpa, izay arovana ankehitriny. Io no hany karazana amin' ny sokjy Aegypius.

Tany am-boalohany dia toa hita nanerana ny faritra atsimo amin' i Eorazia io karazana io, manomboka any Espaina sy Pôrtogaly ka hatrany Sina, ary efa voaporofo fa nisy tany Marôka fahiny. Na izany aza dia nanjavona any amin' ny ampahany be amin' i Eorôpa sy Sina ary koa Marôka izy.

Any Eorôpa dia mbola hita any amin' ny Saikinosy Iberiana (Pôrtogaly sy Espaina) sy any Gresy ny voltora mainty eoraziana ary naverina nampidirina indray tany Frantsa. Ny voltora mainty eoraziana dia nanjary tsy fahita firy any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Azia, indrindra any Torkia, sy any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Sina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Voltora be volombava