Danube

Avy amin'i Wikipedia
I Danube any Bratislava (renivohitr' i Slôvakia)

I Danube no ony faharoa lava indrindra any Eorôpa (aorian' i Volga izay mikoriana manontolo manerana an' i Rosia). Ao amin' ny Ala Mainty any Alemaina no loharanon' izy io rehefa mihaona ao Donaueschingen ny renirano roa, dia i Brigach sy i Breg. Ao Donaueschingen no manomboka mitondra ny anarana hoe Danube ilay ony.

Faritanin-dranon' i Danube

Ny halavan' i Danube dia miankina amin' ny toerana iaingana: 2 852 km raha ho an' ny fihaonana ao Donaueschingen fa 3 019 km kosa raha avy amin' ny loharano Breg. Mikoriana miantsinanana izy ary manondraka renivohitra maromaro any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ary Atsimo: Vienna (ao Aotrisy), Bratislava (ao Slôvakia), Budapest (ao Hôngria) ary Belgrade (ao Serbia). Ny vinanihefak' i Danube dia misokatra amin' ny Ranomasina Mainty: mizara eo anelanelan' i Romania sy i Okraina.

I Danube dia lalana an-drano lehibe nandritra ny taonjato maro. Izy no sisin-tany avaratra amin' ny Empira Rômana. Mamakivaky firenena folo izy: Alemaina (7,5 %), Aotrisy (10,3 %), Slôvakia (5,8 %), Hôngria (11,7 %), Krôasia (4,5 %), Serbia (9,4 %), Bolgaria (5,2 %), Romania (28,9 %), Môldavia (1,7%) ary Okraina (3,8 %).

Mandrakotra firenena sivy hafa ny faritanin-dranony: Italia (0,15 %), Pôlônina (0,09 %), Soisa (0,32 %), Tsekia (2,6 %), Slôvenia (2,2 %), Bôsnia-Herzegôvina (4,8 %), Môntenegrô, Makedônia Avaratra, Albania (0,03 %) ary Kôsôvô.

Izao ny anaran' i Danube ao amin' ny faritanin-dranony: