Fiteny slôvaka

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny slôvaka dia anisan' ny vondrom-piteny slava andrefana ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana tenenina indrinra ao Slôvakia izay manao azy ho fiteny ôfisialy. Atao hoe slovenčina na slovenský jazyk izy amin' ny teny slôvaka. Misy mpiteny slôvaka vitsy ny ao Tsekia, Vôivôdina, Hôngria, Okraina, Aotrisy, Pôlônia, Romania ary fianakaviambe nifindra monina maro no mitazona ny fampiasana ny fiteniny indrindra any Kanada sy any Etazonia ary any Aostralia.

Sahala amin' ny ankamaroan' ny fiteny slava ny fiteny slôvaka izay fiteny manova endrika ny teny arakaraka ny anjara asany ao amin' ny fehezanteny (misy endrika araka anjara asa miisa enina), manavaka ny kandahy sy ny kambavy ary ny tsy kandahy tsy kambavy izy, ny matoanteny ao aminy dia manavaka ny fanehoan-javatra mifetra sy tsy mifera, ary ny voambolany dia miavaka amin' ny fananana tovona sy tovana be dia be ary koa misy ny endri-teny milaza hakelezana. Amin' ny fanononana, ny teny slôvaka dia misy tsindrimpeo foana amin' ny vanin-teny voalohany ary misy zanapeo lava sy fohy; iray amin' ny toetra mampiavaka ny fiteny slôvaka ny fisian' ny r sy ny l izay afaka miasa toy ny zanapeo, ka miteraka teny toa tsy misy zanapeo toy ny hoe prst ("rantsantanana").

Tena akaiky ny fiteny tseky ny fiteny slôvaka, ary ny ankamaroan' ny olon-dehibe slôvaka sy tseky dia afaka mifankahazo fiteny tsy misy fahasarotana, satria nifandray tsy tapaka tamin' ireo fiteny roa ireo izy ireo tamin' ny alalan' ny fampielezam-peo sy ny fahitalavi-pirenena, talohan' ny fivakisan' i Tsekôslôvakia tamin' ny taona 1993. Ireo izay tsy nanana izany fahafahana izany, indrindra fa ny zaza sy ny tanora taty aoriana, dia mety ho sahirana amin' ny fahazoana rehefa mampiasa voanteny tena hafa, na mihaino ny fitenenana haingana loatra. Na izany aza, ny fampiasana ny fiteny slôvaka amin' ny fifandraisana ôfisialy eo anatrehan' ny manampahefana tseky dia mbola azo atao. Mbola be mpampiasa any Slôvakia ny boky sy sarimihetsika tseky.

Azon' ny mpiteny slôvaka atao ihany koa ny mifankahazo amin' ny fomba voafetra kokoa amin' ny fiteny pôlôney. Amin' ny ankapobeny, mora kokoa na latsaka ny fifankahazoan' ny mpiteny slôvaka ny fiteny slava andrefana sy atsimo (fiteny slôvena, fiteny serba, fiteny krôaty, sns.). Mampiasa tarehin-tsoratra latina misy litera miisa 46 mitovy amin' ny an' ny fiteny tseky ny fiteny slôvaka, misy litera kamban-droa sy mari-tsoratra maro. Ny fiteny slôvaka ampiasaina amin' ny literatiora môderina dia tsy noraiketina raha tsy tamin' ny taonjato faha-19, ny ankamaroany dia nataon' i Ľudovít Štúr.