Donets

Avy amin'i Wikipedia
Ny fijerena an' i Donets sy ny lavran' i Sviatohirsk, ny Tendrombohitra Masina.
Ny faritanin-dranon' i Donets

I Donets Avaratra, izay antsoina hoe Donets fotsiny, dia renirano any atsinanana amin' i Okraina sy atsimo-andrefana amin' i Rosia, mirefy 1 053 km. Izy no renirano lehibe amin' ny faritr' i Donbass. Any amin' ny faritra avo any avaratr' i Kharkov, any Okraina, no ipoiran' ny loharanony. Miampita ny sisintany manasaraka an' i Rosia sy i Okraina, mamakivaky ny atsinanana amin' i Okraina ary ny atsimo-andrefana amin' i Rosia izy dia mikoriana mankany amin' i Don (any Rosia, any ambanin' i Konstantinovka), izay manao azy ho sakelidrano lehibe indrindra. Manondraka faritanin-drano mirefy 98 900 km² izy. Ny sakelidranony lehibe indrindra dia i Aydar, i Oskol ary i Kalitva.

Atao hoe Северский Донец / Severskiy Donets izy amin' ny teny rosiana, ary Сіверський Донець / Siverskiy Donets amin' ny teny okrainiana.

I Donets dia azon' ny sambo ifamoivoizana eo amin' ny 210 km eo ho eo any tapany ambony amin' ny vavany ary, ankoatra ny vanim-potoana mampandry ny rano, dia ampiasaina amin' ny fitaterana arintany sy akora fanodina indostrialy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]