Kastôro

Avy amin'i Wikipedia
Kastôro

Ny kastôro dia biby mpikiky lehibe. Indraindray izy dia miaina anaty rano, indraindray miaina an-tanety. Any Amerika Avaratra sy Eorôpa ihany no ahitana ny kastôro. Any Britaina Lehibe, ohatra, dia nampidirina indray izy ireo. Tany Eorôpa, dia saika ripaka izy ireo. Misy kastôro mipetraka any amin' ny reniranon' i Elbe sy Rhone, ary koa any Bavaria, any Pôlônia ary any Skandinavia.

Malaza amin' ny fanamboarana sy fikarakarana tohodrano any anaty renirano ny kastôro. Ny tohodranon' izy ireo dia mampiadana ny fikorianan' ny renirano ary mampihena ny fikaoka. Mahasoa karazam-biby maro hafa ny faritra mando amboarin' izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]