Hankany amin'ny vontoatiny

Totozy

Avy amin'i Wikipedia
Totozin-trano

Ny totozy dia biby mpikiky madinika, kely noho ny voalavo. Tsy karazana tokana na ao amin' ny fiankaviana tokana ny totozy fa karazana maro ao amin' ny fianakaviana maro ao amin' ny filaharana Rodentia (biby mpikiky) Ny tena mampiavaka ny totozy dia izy manana orona maranitra, sofina kely boribory, rambo afaka mihodidina ny vatany, ary ny tahan' ny fiterahany avo be. Misy ny karazana totozy atao biby fiompy. Ny karazana totozy fantatra indrindra dia ny totozy an-trano mahazatra (Mus musculus). Any amin' ny toerana sasany dia misy karazana totozy eny an-tsaha. Ny totozy dia miditra an-tranon' olombelona mba hahazo sakafo sy fialofana.

Amin' ny ankapobeny dia miavaka amin' ny voalavo noho ny habeny ny totozy. Ny teny mahazatra hoe voalavo sy totozy dia tsy manondro fanakilasiana ara-tsiansa manokana. Ny totozy mahazatra dia sokajina ao amin' ny vondron-karazana Mus, saingy ny teny hoe totozy dia tsy voafetra ho an' ny mpikambana ao amin' io vondrona io ary azo ampiharina amin' ny karazana ao amin' ny vondron-karazana hafa.

Ny totozy an-trano amidy ho biby fiompy dia matetika tsy mitovy habe amin' ny totozy an-trano mahazatra. Izany dia vokatry ny fomba fiompiana azy izay tsy mitovy amin' ny fiainany any an' ala na an-tsaha. Ny totozy fiompy fantatra indrindra dia ny totozy fotsy fompina anaty labôratoara.

Ny saka, ny alikadia, ny amboahaolo, ny vorona mpihaza, ary ny bibilava dia fantatra fa mihaza totozy. Na eo aza izany dia mbola betsaka ny isan' ny totozy. Noho ny fahaizany miaina amin' ny zavamisy saika amin' ny tontolo iainana rehetra, ny totozy dia anisan' ny biby mampinono mahomby indrindra eto an-tany ankehitriny.

Amin' ny toe-javatra sasany, ny totozy dia azo heverina ho biby mpanimba. Loharanon' ny fahasimban' ny voly ny totozy. Ny totozy dia mampiely aretina amin' ny alalan' ny diky ary matetika mitondra parasy. Any Amerika Avaratra dia misy ifandraisany amin' ny hantavirosy ny vovoka fohina entin' ny rivotra izay mifandray amin' ny dikin' ny totozy, izay mety hitarika ho amin' ny aretina vokatry ny hantavirosy mamely ny avokavoka.

Biby mpandeha alina indrindra ny totozy izay manonitra ny faharatsian' ny masony amin' ny fandrenesan' ny sofiny tsara. Ny fanamboloany no manampy azy amin' ny fahitana sakafo sy hialany tsy ho tratran' ny biby mpiremby. Any an' ala na any an-tsaha dia fantatra fa manao lavaka be pitsiny ny totozy. Lava ny fidirana amin' ireo lavaka ireo ary misy tonelina fandosirana.

Indreto ny fianakaviana misy azy ireo:

  • Dipodidae (ahitana ny vondron-karazana Napaeozapus sy Zapus)
  • Heteromyidae (ahitana ny vondron-karazana Perognathus )
  • Muridae (ahitana ny vondron-karazana Acomys, Apodemus, Micromys, Mus, Nilopegamys, Notomys, Onychomys, Peromyscus, Pseudomys, Reithrodontomys, Sminthopsis, Vandeleuria, sns.).

Kolontsana

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao fisoro-totozy: voa vao mihilana.
  • Aza mitsoitsoy, toy ny totozy kely len-drano.
  • Aza ny firongarongan' ny voalavo no heverina, fa ny fahakeli-antitry ny totozy
  • Hianao voalavo mamono ny vary, izaho totozy mitsimpona ny raraka
  • Kofon' ny nataony ohatra ny totozy misangy an-davenona.
  • Mahasadaika itony manavy: mipetraka dia totozy, manidina dia vorona.
  • Manjohijohy miditra tsy misy mpanao mandrosoa, toy ny totozy kely miditra an-davaka.
  • Miisa roa toa ramanavy: manidina vorona, mipetraka totozy.
  • Voalavo sy totozy: iray volo fa samy hafa raharaha.
  • Totozy batry nify sy voalavo tsindohaina, ka tafahoan-tsamy famantsiny.
  • Totozy latsaka amin' ny hero-dronono: maty tsara fonosana, velona fotsy volombava, sady tsara lamba fitafy
  • Totozy nangala-dronono: tsy voky fa lendem-bolo
  • Totozy sy voalavo, ka tsy izay lehibe no zokiny, fa samy manana ny taonany ihany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]