Aller au contenu

Parasy

Avy amin'i Wikipedia
Parasy

Ny parasy dia bibikely tsy manana elatra, kely vatana, katsentsitra mpitroka ra ary mahery mitsambikina. Rehefa lehibe ny parasy dia mitsentsitra avy ety ivelan' ny biby ivelomany. Katsentsitra ivelany, mihinana ny ran' ny biby (olombelona sy biby mampinono hafa ary vorona sasany), ny parasy. Mamorona filaharana atao hoe Siphonaptera (na Aphaniptera teo aloha) ny parasy. Efa ho 2 500 ny karazany voafaritra hatramin' izao, mizara ho vondron-karazana 239 ary 15 hatramin' ny 16 fianakaviana araka ny filazan' ny mpanoratra, ary fianakaviambe 5.

Matetika ny parasy dia itoeran' ny katsentsitra hafa izay mivelona aminy mandra-piandry ny mpampiantrano farany. Anisan' ny katsentritra vonjimaika ao amin' ny parasy ny soko fisaky ny alika. Amin' ny faritra manodidina ny zana-pehintany dia ny parasin' ny voalavo no mpanaparitaka ny aretina pesta. Manana ny parasiny manokana ny alika, ny saka, ny olombelona, ny voalavo ary ny vorona.

Ny fiainany

[hanova | hanova ny fango]

Faritra eo an-tany ahitana parasy

[hanova | hanova ny fango]

Hita maneran-tany ny parasy any amin' ny kôntinenta rehetra ny parasy. Manatody amin' ny karipetra, amin' ny lafika, amin' ny lambam-baravarana, eny amin' ny toerana misy fako ary amin' ny toerana maro mahamora ny fivoarany ny parasy.

Tsingerim-piainany

[hanova | hanova ny fango]

Foy aorian' ny enina andro ny atodim-parasy ary rehefa foy dia mivoaka olitra manana fitaovam-panindronana eo amin' ny vavany. Aorian' ny andro vitsivitsy izay nihinanany ny faikan-javamananaina dia manenona ny tranony izay manamarika ny fiandohan' ny dingan' ny samoina ny olitry ny parasy. Mivoaka avy amin' ny tranon' ny samoina ny parasy lehibe rehefa afaka herinandro vitsy. Mirefy mihotra kelin' ny 3 mm izy amin' izany.

Endriky ny parasy

[hanova | hanova ny fango]

Mivelatra sy somary fisaka ny vatan' ny parasy. Misy tandroka fohy sy fitaovam-panindronana sy fitsentsefana eo amin' ny vavany ny lohany. Bitika na tsy misy tanteraka aza ny masony, ary lava sady matanjaka, ary mety tanteraka amin' ny fitsambikinana ny tongony.

Katsentsitra

[hanova | hanova ny fango]

Kantsentsitry ny parasy

[hanova | hanova ny fango]

Mpampiantrano anelanelany ho an' ny kankam-pisaky ny alika ny parasy rehetra. Atelin' ny parasy ny atodin' ilay kankana izay manomboka mivoatra amin' izay. Raha mahavotelina tsy nahy parasy misy atodin-kankana ny olona iray dia mivoatra ao amin' io mpampiantrano vaovao io ilay kankana. Amin' ny faritry ny zanapehintany sy ny manodidina ary ao Eorôpa dia ny parasin' ny voalavo no mpitondra ny aretina pesta. Matetika vokatry ny fisian' ny parasy eny aminy ny aretin-koditra ekzemà ao amin' ny alika.

Katsentsitra ny parasy

[hanova | hanova ny fango]
Parasin' akoho (Echidnophaga gallinacea)

Maro karazana ny parasy katsentsitry ny biby fataon' ny olombelona namana. Ny parasin' alika sy ny parasin-tsaka no karazana roa fantatra indrindra. Katsentsitry ny olombelona sy an' ny akoho amam-borona ary an' ny biby fiompy hafa ireo karazana roa ireo. Fahita maneran-tany ny parasin' olombelona.

Ao amin' ny filaharana Siphonaptera (na Aphaniptera teo aloha) ny parasy. Izao ny anarana siantifikan' ny karazam-parasy sasany:

  • parasin' alika (Ctenocephalides canis, na Ctenocephalus canis);
  • parasin-tsaka (Ctenocephalides felis na Ctenocephalus felis);
  • parasin' olombelona (Pulex irritans);
  • parasim-boalavo any amin' ny faritra trôpikaly (Xenopsylla cheopis);
  • parasim-boalavo any Eorôpa (Nosopsyllus fasciatus na Ceratophyllus fasciatus);
  • parasin' akoho amam-borona (Ceratophyllus gallinae sy Echidnophaga gallinacea).

Ady amin' ny parasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny fanaovana ny toeram-panatodizany ho tsy ahafahan' ny olitry ny parasy mivoatra sy amin' ny famonoana ny parasy lehibe no fomba iadiana amin' ny parasy. Mba hamongorana ny parasy lehibe dia tokony ampandroina amin' ny rano sy savony mainty na karakaraina amin' ny alalan' ny poizina famonoana bibikely na amin' ny alalan' ny vazelinina ny biby mampiantrano parasy. Tokony hampiasaina amim-pitandremana ireo fitaovana ireo mba hialana amin' ny mety ho fanapoizinana na ny fahafatesan' ilay biby karakaraina.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Ny parasy no mivelona amin' ny vahiny.
  • Kely tratry ny mafy, ohatra ny parasy voahitsak' omby.
  • Latsaka ao anelanelan-tsihy toa parasy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]