Vorona

Ny vorona dia zavamananaina ao amin' ny zana-pisampanan' ny Vertebrata (biby manana hazondamosina), izay mamorona ny kilasy Aves. Manana ra mafana sady manatody izy ireo. Feno volom-borona ny tenany sady manana rantsam-batana ambany roa sy elatra roa ary tsy misy nify. Manana anjara asa telo ny volom-borona: ny fisidinana sy ny fifehezana ny mari-pana ary ny fampisehoana. Manana taolana poaka aty ny vorona mba hahakely ny lanjany.
Noho izy ireo mafana vatana dia mampiasa hery betsaka. Noho izany dia mihinana sakafo be dia be izy ireo raha oharina amin' ny lanjany. Karazam-borona samihafa mihoatra ny 9 000 no efa fantatra.
Hita ao amin' ny kôntinenta rehetra eto amin' izao tontolo izao ny vorona. Afaka miaina amin' ny tontolo mangatsiaka ny karazam-borona samihafa, ary ny hafa dia afaka miaina ao amin' ny toetany mafana. Hita any anaty ala, eny amin' ny kijana, eny amin' ny harambato, eny amin' ny moron-drenirano, eny amin' ny vato amoron-dranomasina, eny amin' ny tampon-tranon' olona ny vorona.
Mihinana sakafo isan-karazany ny vorona. Mihinan-kena ny ankamaroany. Maro ny mihinana bibikely na trondro. Mihinana karazam-bibilava na voalavo na koa karazam-borona hafa ny sasany. Misy vorona hafa ihany koa mihinana fatim-biby. Ny vorona toa ny boloky dia mihinana voamadinika sy voankazo.
Lisitry ny filaharana
[hanova | hanova ny fango]Lisitry ny filaharana ny vorona araka ny BioLib (26 Septambra 2020) sy araka ny fanasokajian' ny International Ornithological Congress (versiona 15.1, 2025)
Filaharana efa lany tamingana
[hanova | hanova ny fango]- Aberratiodontuiformes Enpu Gong, Lianhai Hou & Lixia Wang, 2004 †
- Aepyornithiformes Newton, 1884 †
- Alexornithiformes Brodkorb, 1976 †
- Ambiortiformes Kuročkin, 1982 †
- Apatornithiformes †
- Archaeopterygiformes Lambrecht, 1933 †
- Cathayornithiformes Zhou, Jin & Zhang, 1992 †
- Chaoyangiaformes †
- Confuciusornithiformes Hou & al., 1995 †
- Dinornithiformes Gadow, 1893 †
- Enantiornithiformes Chiappe, 1992 †
- Eurolimnornithiformes Bock & Buhler, 1996 †
- Gansuiformes Lianhai Hou & Zhicheng Liu, 1984 †
- Gastornithiformes †
- Gobipterygiformes Elzanowski, 1974 †
- Hesperornithiformes Fürbringer, 1888 †
- Iberomesornithiformes Sanz & Bonaparte, 1992 †
- Ichthyornithiformes †
- Lithornithiformes Houde, 1988 †
- Palaeocursornithiformes Kessler & Jurčák, 1986 †
- Patagopterygiformes Alvarenga & J.F. Bonaparte, 1992 †
- Remiornithiformes Martin, 1992 †
- Sandcoleiformes Houde & Olson, 1992 †
- Sinornithiformes Sereno & Rao, 1992 †
Filaharana mbola velona
[hanova | hanova ny fango]Ny filaharam-borona mbola velona dia ao amin' ny zana-kilasy Neornithes:
- Accipitriformes Vieillot, 1816
- Aegotheliformes Worthy et al., 2007
- Anseriformes Wagler, 1831
- Apodiformes Peters, 1940
- Apterygiformes Haeckel, 1866
- Bucerotiformes Fürbringer, 1888
- Caprimulgiformes Ridgway, 1881
- Cariamiformes Fürbringer, 1888
- Casuariiformes Sclater, 1880
- Cathartiformes Coues, 1884
- Charadriiformes Huxley, 1867
- Ciconiiformes Bonaparte, 1854
- Coliiformes Murie, 1872
- Columbiformes Latham, 1790
- Coraciiformes Forbes, 1884
- Cuculiformes Wagler, 1830
- Eurypygiformes Hackett & al., 2008
- Falconiformes Sharpe, 1874
- Galliformes Temminck, 1820
- Gaviiformes Wetmore & Miller, 1926
- Gruiformes Bonaparte, 1854
- Leptosomiformes Sharpe, 1991
- Mesitornithiformes Wetmore, 1960
- Musophagiformes Seebohm, 1890
- Nyctibiiformes Yuri (d) et al., 2013
- Opisthocomiformes L'Herminier, 1837
- Otidiformes Wagler, 1830
- Passeriformes Linnaeus, 1758
- Pelecaniformes Sharpe, 1891
- Phaethontiformes Sharpe, 1891
- Phoenicopteriformes Fürbringer, 1888
- Piciformes Meyer & Wolf, 1810
- Podargiformes Matthews, 1918
- Podicipediformes Fürbringer, 1888
- Procellariiformes Fürbringer, 1888
- Psittaciformes Wagler, 1830
- Pteroclidiformes Huxley, 1868
- Rheiformes Forbes, 1884
- Sphenisciformes Sharpe, 1891
- Steatornithiformes
- Strigiformes Wagler, 1830
- Struthioniformes Latham, 1790
- Suliformes Reichenbach, 1849
- Tinamiformes Huxley, 1872
- Trogoniformes AOU, 1886
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Akoho - akanga
- Boloky - boiaza
- Gisa ejiptiana - goaika - gisa - ganagana
- Fody
- Kôlibria - kibobo
- Papelika - pelikana
- Sama
- Vanga - voltora - voromahery - vorontsiloza - vorompiremby - vorombola - voronaparadisa - vanovolondavenona - vorondreo - vorondolo - vorompotsy -
- Lisitry ny anaram-borona amin' ny teny malagasy