Hankany amin'ny vontoatiny

Fody

Avy amin'i Wikipedia
Fodilahy

Ny fody dia vorona madinika, mivololombatolalaka ny volony raha mbola tsy eo amin' ny fotoana fanatodizany, na ny lahy na ny vavy, ao amin' ny fianakaviana Ploceidae, hita eto Madagasikara, izay nampidirina ao La Réunion (izay miantso azy hoe foudi na kardinal) sy ao Maorisy (izay miantso azy hoe cardinal fody) izy io. Foudia madagascariensis ny anarany ara-tsiansa.

Mivadika mena ny volon' ny fodilahy amin' ny vanim-potoan' ny fananahana, eo amin' ny fiandohan' ny volana Nôvambra, ka maharitra hatramin' ny faramparan' ny volana Marsa izany. Mandritra ny ririnina dia any anaty ala ny fody no mipetraka.Ny fody dia vorona hita anatina faritra voafetra, ary ny Fikambanana Iraisam-Pirenena momba ny Fiarovana ny Zavaboary (International Union for Conservation of Nature) dia nihevitra ny satan' ny fiarovana azy ho "tsy dia mampanahy loatra".

Ireto koa ny anarana ara-tsiansa mety hiantsoana azy: Cardinalis madagascariensis, Loxia madagascariensis.

Eo amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]
Fodivavy

Ny ahafantarana ny fody indrindra dia izy anisan' ny vorona mpanimba ny voly, fa indrindra ny vary.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao fodilahy mena vary, ka manandrana alohan' ny tompony.
  • Aza mandrara-komana, toa fody.
  • Tsikirity momba fody: tsy tompon-dia, fa mpanaraka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]