Hitsikitsika

Ny hitsikitsika dia karazam-borona kely mpihaza, tsy dia lehibe loatra, mitovy loko amin' ny takatra manopy mainty, tokony ho 30 sm eo ho eo ny halavany ary mivelona amin' ny fihazana ny biby madinika sy ny bibikely. Atao hoe Falco newtoni ny anarany ara-tsiansa ary ao amin' ny fianakaviana Falconidae izy io.
Fisehony
[hanova | hanova ny fango]
Miseho amin' ny zaka-karazana roa eto Madagasikara sy ao amin' ny nosy Aldabra (Seisely). Antsoina koa hoe Falco newtoni aldabranus (hitsikitsika aldebarana) ny zana-karazana any Aldabra. Havany akaiky indrindra ny Falco araeus (hitsikitsika seiseloà); noheverina ho iray karazana izy ireo taloha. Mifandray lavitra kokoa aminy ny Falco punctatus (hitsikitsika maorisiana).
Mety hahatratra 30 sm ny habeny. Ny elatra dia 180 hatramin' ny 195 mm amin' ny lahy ary 188 mm hatramin' ny 203 mm amin' ny vavy. Ny lahy dia mety hahatratra 112 ka hatramin' ny 118 grama. Ny lanjan' ny vehivavy kosa dia mahatratra 128 grama.
Faritra sy toerana ahitana azy
[hanova | hanova ny fango]Miparitaka amin' ny erana lehibe ny hitsikitsika malagasy ary teratany eto Madagasikara sy ao Mayotte ary ao Kômôro. Vorona mpanamboatra akany izy io ary hita any amin' ny fatrana sy any amin' ny faritra mando, ary koa amin' ny toerana namboarin' olombelona eo amin' ny manodidina ny toeram-ponenan' ny olombelona amin' ny haambo 0 ka hatramin' ny 2 000 m. Tsy fahita firy any anaty ala izy io. Toeram-ponenany koa ny nosy Aldabra (Seisely) sy i Grande Terre (Mayotte), ary misy porofo ihany koa ny fisiany ao amin' ny nosy Nzwany ao Kômôro.
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Aza mihebiheby maso hoatry ny hitsikitsika hangalatra akoho.
- Hitsikitsika ambony borona: tsy mitomoe-potsiny fa mandini-javatra.
- Hitsikitsika tompon' ny dihy, vivy tompon' ny rano.
- Hitsikitsika tsy mandao tevana.
- Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha.
- Mandihiza, ry hitsikitsika: hianaranay raha fararano.
- Natao kitsikitsika hivavahana, kanjo manjary voromahery nipaoka ny akohokely.