Ankoay

Ny ankoay na voromahery malagasy na ankoe dia karazam-boromahery mpihaza amin' ny antoandro, ao amin' ny fianakaviana Accipitridae, tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, anisan' ny vorona tsy fahita firy maneran-tany, anisan' ny karazam-borona fito mpihaza amin' ny antoandro tsy fahita firy. Icthyophaga vociferoides (na Haliaeetus vociferoides teo aloha) ny anarany ara-tsiansa. Atahorana ho lany tamingana ity karazam-borona ity araka ny fanakilasian' ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fitahirizana ny Zavaboary (anglisy: International Union for Conservation of Nature -- IUCN).
Ny anarany
[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny teny malagasy dia antsoina hoe ankoay ity vorona ity, nefa mety hantsoina hoe vorombe na voromahery malagasy koa. Amin' ny teny frantsay izy dia atao hoe pygargue de Madagascar fa amin' ny teny anglisy dia Madagascar fish eagle.
Ny mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Mirefy 60 hatramin' ny 70 sm ity vorona ity, 165 hatramin' ny 180 sm ny fivelaran' ny elany roa, milanja 2 500 g ny lahy ary 3 500 g ny vavy. Maniry volon-doha toa satroka ny vorona efa lehibe, ny vozony sy ny hatony miloko volondavenona fotsy misy volo vitsivitsy miloko manja, ny takolany fotsy, ny rambony fotsy misy tsipika manopy mainty. Ny sisa amin' ny vatany dia manja matroka misy manopy mena ary ny tongony fotsifotsy. Ny tsy mampitovy ny lahy sy ny vavy dia ny lanjany sy ny habeny: mavesatra sy lehibe kokoa noho ny lahy ny vavy.
Faritra misy azy
[hanova | hanova ny fango]
Tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ity karazam-borona ity. Eo anelanelan' ny 40 sy 70 ny isany, satria mila toerana malalaka sy filamindaminana ity karazam-borona ity amin' ny fananahany.
Sakafony
[hanova | hanova ny fango]Trondro no tena fihinan' ny ankoay. Na izany aza, afaka mihinana biby mpikiky (voalavo sns) na voron-drano koa izy.