Hankany amin'ny vontoatiny

Agapornis canus

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Boiaza)
Boaiza

Ny Agapornis canus dia karazam-borona kely toy ny boloky, miloko maitso, ao amin' ny fianakaviana Psittacidae.

Indreto ny anarana malagasy ahafantarana azy: boaiza, boezy, fodindriaka, karaoka, karaoke, karaoko, kariaka, kariga, karoka, kitehoka, kitrehoka, kitrehoky, sarengy, sarivaza, ary sarivazo. Anarana ara-tsiansa nahafantarana azy koa ny hoe na Psittacula madagascariensis.

Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy fa ny lahy lehibe ihany no misy volondavenona eo amin' ny vatany ambony. Teratany eto Madagasikara izy ireo ary io no hany karazany misy izay tsy teratany ao Afrika. Tsy fahita firy izy io eny amin' ny fambolena ary sarotra ny miompy azy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]