Aller au contenu

Bitro

Avy amin'i Wikipedia
Bitro

Ny bitro dia biby isan-karazany lava sofina, mampinono, ao amin' ny fianakaviana Leporidae (izay ahitana ny bitro an-tsaha na bitro dia koa). Hatry ny ela dia nosokajina ao amin' ny filaharan' ny biby mpikiky ny bitro, fa ankehitriny dia navondrona ao anaty filaharana manokana, dia ny Lagomorpha. Ny bitro eorôpeana, Oryctolagus cuniculus no razamben' ny karazana bitro fiompy an-jatony maneran-tany. Ny Sylvilagus dia ahitana karazana bitrodia 13.

Ny bitro eorôpeana, izay nampidirina tany amin' ny kôntinenta rehetra afa-tsy any Antarktika, dia fantatra manerana izao tontolo izao ho biby fihaza, nofolahina ho fiompy ary biby fanao namana. Noho izy fiantraikany izay miely patrana eo amin' ny tontolo iainana sy ny kolontsaina, any amin' ny faritra maro eran' izao tontolo izao, ny bitro dia hita amin' ny fiainana andavanandro: atao sakafo, anamboarana fitafiana (ny hodiny sy ny volony), atao namana, ary loharanon' aingam-panahy ara-javakanto.