Hankany amin'ny vontoatiny

Vanokagira

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Vano volondavenona)
Vanokagira na langoromavo

Ny vanokagira na langoromavo dia vorona mirenireny, lava tongotra, ao amin' ny fianakaviana Ardeidae, hita manerana an' i Eorôpa sy Azia ary any amin' ny faritra sasany aty Afrika. Ny anarany ara-tsiansa dia Ardea cinerea. Tsy mifindra lavitra ny toerana misy azy ny ankamaroan' izy ireo, fa ny sasany avy any amin' ny faritra avaratra kokoa dia mifindra monina mianatsimo rehefa fararano. Vorona monina amin' ny faritra mando izy, hita manodidina ny farihy, ny renirano, ny dobo, ny honahona ary eny amoron-dranomasina. Ny zavaboary anaty rano no tena fihinany ka ambenany indrindra rehefa mijoro eo akaikiny na ao anaty rano izy na manaraka ny rembiny amin' ny rano marivo.

Hatramin' ny 1 m ny haavony raha mijoro, ny lehibe dia milanja 1 hatramin' ny 2 kg. Fotsy ny lohany sy ny tendany izay misy tsipika mainty manomboka eo amin' ny masony ka hatrany amin' ny vombony mainty. Ny vatany sy ny elany dia volondavenona eo ambony ary ny ao ambany dia fotsy manopy volondavenona, ary misy mainty ny sisiny. Mavo manopy mavokely ny vavany lava sady maranitra, ary volontany ny tongony.

Miteraka miaraka maro ny langoromavo amin' ny lohataona, matetika manao ny akaniny eny ambony hazo izy. Misy atody telo ka hatramin' ny dimy maitso manopy manga ny tranony. Samy mamana ny atody ny vorona mpivady mandritra ny 25 andro eo ho eo, ary avy eo dia samy mamahana ny zana-borona izay manidina rehefa feno fito na valo herinandro.

Maro amin' ny vorona mbola kely no tsy tafavoaka velona amin' ny ririnina voalohany, fa raha velona izy ireo dia mety hiaina hatramin' ny 5 taona eo ho eo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]