Martra

Avy amin'i Wikipedia
Martes zibellina

Ny martra dia biby misy nono mpihinan-kena miely manerana ny ila-bolantany avaratra ary be mpitady noho ny volony matevina. Somary lava ny martra ary fohy tongotra sy rantsan-tongotra sady manana rantsan-tanana sy rantsan-tongotra misy hoho maranitra ny martra. Mipetraka any an-davaky ny hazo izy rehefa tsy mitady sakafo (biby mpikiky sy vorona ary atody). Ao amin' ny fianakaviana Mustelideae amin' ny lamina Carnivora ny martra.izay atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Martes.

Misy karazany maro izy:

  • Martes americana — Martra amerikana;
  • Martes flavigula — Martra mavo vozona;
  • Martes foina;
  • Martes gwatkinsii — Martran' i India Atsimo;
  • Martes martes — Martra mahazatra;
  • Martes melampus — Martra japôney
  • Martes pennanti — Martra Pekana
  • Martes zibellina — Zibelina

Ny karazana mahazatra (Martes martes) any Amerika dia mirefy 60 ka hatramin'ny 90 sm ny halavany, ary 20 sm eo ho eo ny rambony; mazàna izy dia miloko mavo, manana tongotra matroka kokoa ary misy tsipika mivolom-boasary na fotsy eo amin’ny tendany sy ny tratrany.

Ny martra amerikana (Martes americana) dia be mpihaza ary amin'izao fotoana izao dia tsy misy afa-tsy ao amin'ny faritra arovana. Mazàna dimy eo ho eo ny zanaka martra indray teraka avy amin' ny reniny iray.

Ny martra mavo tenda (Martes flavigula) dia mivelona any any Eorôpa sy Azia ary mavo tenda. Ny Martes foina kosa dia fotsy tenda.

Ny martra hafa dia ny zibelina (Martes zibellina) sy ny pekana (Martes pennanti), izay manja mainty ary 90 sm eo ho eo ny halavany, ary ny rambony be volo dia mirefy 46 sm.