Aller au contenu

Ady tao Donbass

Avy amin'i Wikipedia

Ny Ady tany Donbass dia ady nampifandona ny governemanta okrainiana amin' ny mpisara-bazana mpomba ny Rosiana sy an' i Rosia nanomboka tamin' ny Avrily 2014 ka hatramin' ny Febroary 2022. Dingana iray amin' ny Adin' i Rosia sy i Okraina nitranga any amin' ny tapany atsinanan' i Okraina, indrindra ao Donbass, izany. Teo anelanelaan' ny taona 2014 sy 2020 dia niteraka fahafatesan' olona maherin' ny 13 000 ity fifandonana ity araka ny filazan' ny Firenena Mikambana (sivily 3 350, miaramila 4 100 ao amin' ny tafika okrainiana ary mpikambana 5 650 avy amin' ny vondrona mitam-piadiana mpomba an' i Rosia) ary olona efa ho iray tapitrisa sy sasany no nafindra toerana.

Nanomboka tamin' ny Febroary 2014 izany ady izany tao anatin' ny tontolon' ny fihetsiketsehana Euromaidan izay niampanga ny kolikoly ataon' ireo eo amin' ny fitondrana. Ny revôlisiôna okrainiana taorian' ny Febroary 2014 dia nitarika ny fanonganana ny governemantan' i Viktor Yanukovych mpomba an' i Rosia sy ny fitsanganan' ny governemanta vonjimaika notarihan' i Oleksandr Turchynov (22 Febroary) sy i Arseniy Yatsenyuk (voatendry ho praiminisitra tamin' ny 27 Febroary) izay samy mpomba ny Vondrona Eorôpeana.

Tamin' ny 23 Febroary dia nipoaka ny fihetsiketsehana mpomba ny Rosiana sy manohitra ny Maidan, indrindra tany amin' ny tapany atsinanan' i Okraina ary indrindra tao Kharkiv, tanàna lehibe indrindra ao Okraina aorian' i Kyiv.

Nanomboka tamin' ny 28 Febroary, daty nanamarika ny fanakambanana an' i Krimea amin' i Rosia, dia nalain' ny tafika rosiana ity saikinosy izay anisan' i Okraina tamin' izany fotoana izany ity. Vetivety dia nisy fitsapan-kevi-bahoaka tao an-toerana, izay tsy eken' i Okraina na ny ankamaroan' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny maha ara-dalàna azy, natao tamin' ny 16 Marsa, momba ny fampidirana an' i Krimea amin' i Rosia. Ny fahaleovantenan' i Krimea dia nambaran' ny praiminisitra lefitra ao amin' ilay faritra folo andro mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Tamin' ny fiandohan' ny Avrily 2014, tao amin' ny faritr' i Donbass, voaforon' ny ôblastan' i Donetsk sy ny an' i Luhansk, ary tany amin' ny faritra maro mifanila aminy, dia nivadika ho fikomiana mitam-piadiana manohana ny Rosiana sy manohitra ny governemanta okrainiana vaovao ny fihetsiketsehana manohitra ny Maidan. Lasa mpisara-bazana ity fikomiana mitam-piadiana ity ary fanjakana roa tsy neken' i Okraina no nambara: dia ny "Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk" (7 Avrily) sy ny "Repoblika Entim-Bahoakan' i Lugansk" (11 Mey). Nanomboka tamin' ny 2 May 2014 dia niditra an-tsehatra tany atsinanan' ny firenena ny tafika okrainiana. Nandroso tao izy tamin' ny volana Jona sy Jolay alohan’ ny nahasakanana azy, dia nihemotra teo anatrehan’ ny mpisata-bazana tamin’ ny farany. I Rosia, firenena mpiray sisin-tany, dia voampanga ho nanohana ara-miaramila ny mpikomy tamin' ny alalan' ny ady safiotra.

Tamin' ny 5 Septambra 2014, ny Fifanarahana voalohany tao Minsk dia nifampiraharaha ary nosoniavina mba hampitsaharana ny ady tao Donbass. Na izany aza, ity fifanarahana misy teboka roa ambin' ny folo ity, izay noheverina hampitsahatra ny ady, dia naharitra herinandro vitsivitsy monja. Tamin' ny Janoary 2015 dia nihamafy ny ady ary niroso hatrany ny tafika mpisintaka mpomba an' i Rosia.

Tamin' ny 6 sy 11 Febroary 2015 dia nandeha tany Rosia sy Okraina i François Hollande sy i Angela Merkel mba hifampiraharaha momba ny drafitry ny fandriam-pahalemana vaovao novolavolaina ho ampahany amin' ny fandaminana mahafaobe. Tamin' ny 12 Febroary, tao Minsk, teo anatrehan' i Petro Poroshenko, filohan' i Okraina, sy i Vladimir Putin, filoha rosiana, dia nanao sonia fifanarahana fampitsaharana ady vaovao (antsoina matetika hoe Minsk II) izy ireo mba hampitsaharana ny ady, maiaraka amin' ny fanoloran-tenan' ny ankolafy samihafa hanaraka tondrozotra misy teboka telo ambin' ny folo. Nihena ny hamafin' ny fifandonana, saingy mbola nisy ady tsindraindray hatramin' ny taona 2019. Ny fifanarahana Minsk II dia nijanona ho filamatra amin' ny famahana ny disadisa amin' ny fomba maharitra: mbola ivon' ny fifanakalozan-kevitra mandritra ny fivoriana tamin' ny Desambra 2019, antsoina hoe "amin' ny endrika Normandia", teo anatrehan' ny filoha okrainiana vaovao, Volodymyr Zelensky.

Tamin' ny 19 ka hatramin' ny 21 Febroary 2022 dia nahamarika ny firongatry ny tranga mitam-piadiana sy ny fipoahana tao amin' ny repoblika roa any Donbas ny Fikambanana ho an' ny Fiarovana sy ny Fiaraha-Miasa ao Eorôpa (anglisy: Organisation for Security and Cooperation in Europe - OSCE), izay samy mifampiampanga amin' izany ny andaniny sy ny ankilany.

Tamin' ny 21 Febroary 2022 dia neken' i Rosia ny fahaleovantena — avy amin' i Okraina — sy ny fiandrianan' ny repoblika roa mitonona ho mpisintaka, dia ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk sy ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Luhansk. Ny fifanarahana vita teo amin' i Rosia sy ireo repoblika roa ireo dia manonona indrindra ny adidy fiaraha-miasa sy ny fifanampiana. Araka ny OSCE sy ny Vondrona Eorôpeana, ireo fifanarahana ireo dia fanitsakitsahana ny lalàna iraisam-pirenena, sady "fanitsakitsahana ny tsy fanombinana amn' ny tanim-pirenena sy ny fiandrianan' i Okraina" ary koa ny fanapahan-kevitra "tsy mifanaraka amin' ny foto-kevitra ao amin' ny Satan' ny Firenena Mikambana"; mitarika ho amin' ny fahapotehan' ny Fifanarahana Minsk II nataon' i Rosia izy ireo, hoy ny sekretera jeneralin' ny Firenena Mikambana.

Tamin' ny 24 Febroary 2022 dia niditra tao Okraina ny miaramila rosiana ary nanohy ny fananiham-bohitra avy ao amin' ny faritra mpisara-bazana, avy ao Bielôrosia, avy ao Rosia ary avy ao Krimea.