Ôblasta

Avy amin'i Wikipedia

Ny ôblasta dia karazana fizaràna ara-pitantanana dingana voalohany ao Bolgaria sy amin' ny firenena maro taorian' ny Firaisana Sôvietika, anisan' izany i Belarosia, i Rosia ary i Okraina. Ara-tantara dia nampiasaina tany amin’ ny Empira Rosiana sy tao amin' ny Firaisana Sôvietika izany. Ny teny hoe oblast dia mety hadika amin' ny teny hoe "faritra" na "faritany". Any amin' ny firenena sasany, ny ôblasta dia fantatra ihany koa amin' ny teny mitovitovy enrika amin' ny teny rosiana hoe oblast: amin' ny teny rosiana sy okrainiana dia область / oblast'; amin' ny teny belarosiana: вобласць / voblasc; amin' ny teny bolgariana: област / oblast; amin' ny teny kazàka: облыс / oblys; amin' ny teny kirgizy: облус / oblus.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]