Raiôna
Ny hoe raiôna dia teny ampiasaina any amin' ny firenena maromaro any Azerbaijana, Belarosia, Jeôrjia, Letônia, Môldavia, Rosia, Okraina, Bolgaria ary ny firenena sasany tao amin' ny Firaisana Sôvietika teo aloha mba hanondroana fizarazarana ara-pitantanana karazany roa: fizaràn' ny tanim-pirenena na fizaràn-tanàna.
Atao hoe район izany amin' ny teny rosiana sy amin' ny teny okrainiana ary amin' ny teny bolgariana, раён amin' ny teny bielôrosiana, raion amin' ny teny romaniana, rayon amin' ny teny azery, rajons amin' ny teny letôna (na latviana), რაიონი amin' ny teny jeôrjiana. Ity teny ity dia avy amin' ny teny frantsay hoe "rayon" amin' ny heviny jeômetrika, miainga avy amin' ny renivohitra.