Aller au contenu

Fiteny ao Okraina

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ao Okraina dia isankarazany. Ny fiteny okrainiana sy ny fiteny rosiana, izay samy fiteny slava, no be mpampiasa indrindra. Ny fiteny okrainiana no fiteny ôfisialin' i Okraina, izay tenenin' ny 88 %-n' ny mponina ao an-trano amin' ny fiainany manokana, ary hatramin' ny 87 % any am-piasana na any am-pianarana. Manaraka izany ny fiteny rosiana izay ampiasain' ny 34 % eo amin' ny fiainany manokana. Ahitana fitenin' ny vitsy anisa maromaro koa ity firenena iry, ka ny fiteny tatara krimeana ihany no manana ny sata fitenin' ny faritra ao Krimea.

Araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2001 dia ny fiteny okrainiana no fitenin' ny 67,5 % mponina. Araka ny institiota Gallup tamin' ny taona 2008 dia 83 % amin' ny olom-pirenena nanaovana fanadihadiana no nilaza fa misafidy ny hamaly amin' ny fiteny rosiana. Araka ny fikarohana nataon' ny Research & Branding Group tamin' ny taona 2011, ny fitenim-pifandraisana voalohany ao amin' ny fianakaviana dia ny fiteny okrainiana. Ny 37 % amin' ny mponina no mifandray amin' ny alalan' ny fiteny rosiana ao amin' ny fianakaviana na ao an-trano. Ny 15 % amin' ny Okrainiana dia mifandray amin' ny zara mitovy amin' ny alalan' ny fiteny rosiana sy okrainiana.

Any amin' ny faritra sasany ao Okraina dia misy vondrona vitsy madinika izay miteny amin' ny fiteny hongariana, fiteny môldaviana, fiteny romaniana, fiteny pôlôney, fiteny idisy, fiteny bolgariana, fiteny gagaoza, ary fiteny maro hafa. Ny fitenim-paritra eo an-toerana sy ny fiteny mifangaro dia ampiasaina betsaka, indrindra ny fiteny sorzika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]