Fiteny idisy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny idisy dia fiteny jermanika avy amin'ny fiteny alemaina ambony ahitana voambolana hebreo sy slava, izay nampiasain'ny vahoaka jiosy ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana (atao hoe Askenazy) ho fiteny ifaneraserana andavanandro nanomboka tamin'ny Andro Antenantenany. Atao hoe fiteny jodeo-alemàna koa io fiteny io. Ny roa ampahatelon'ny Jiosy eran-tany no niteny idisy, izany hoe olona miisa 11.000.000 taloha kelin'ny Ady Lehibe Faharoa. Nanomboka tamin'ny fandripahana Jiosy nataon'ny Nazi izay nahafaty ny ankamaroan'ny Jiosy tao Eoropa dia nanjary fitenim-bahoaka vitsy anisa miparitaka sady andalam-panjavonana.