Aller au contenu

Fiteny môldaviana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny môldaviana na fiteny môldôvana na fiteny môldava dia ny fiteny romaniana tenenina ao Môldavia. Nambara ho fiteny ôfisialin' i Môldavia ny fiteny môldaviana ao amin' ny andininy faha-13 amin' ny lalàmpanorenana nolanina tamin' ny taona 1994, raha nampiasa ny hoe "romaniana" kosa ny Fanambaràna ny fahaleovantenan' ny Repoblikan' i Môldavia (romaniana: Declarația de independență a Republicii Moldova) tamin' ny taona 1991. Amin' ny fiteny romaniana izy io dia atao hoe limba moldovenească, na лимба молдовеняскэ. Tamin' ny taona 2003, ny parlemanta môldaviana dia namoaka lalàna mamaritra ny hoe môldaviana sy romaniana ho anarana manondro fiteny mitovy.

Tamin' ny 2013, ny Fitsarana Momba ny Lalàmpanorenan' ny Repoblikan' i Môldavia (romaniana: Curtea Constituțională a Republicii Moldova) dia nandika fa ny andininy faha-13 amin' ny lalàmpanorenana dia nosoloin' ny Fanambaràna ny Fahaleovantena, ka nanome sata ôfisialy ny anarana hoe romaniana.

Ny faritra mpisara-bazaba Transnistria dia manohy manaiky ny "fiteny môldava" ho iray amin' ny fiteny ôfisialy, miaraka amin' ny fiteny rosiana sy ny fiteny okrainiana.

I Okraina, hatramin' ny vao haingana, dia mbola manohy ny fanavahana ny fiteny môldaviana sy fiteny romaniana, ka ny tanàna iray nanambara ny fiteniny ho romaniana ary ny iray hafa nanambara fa ny azy dia môldaviana, na dia nanambara ny fikasana hanaisotra ny sata ara-dalàn' ny fiteny môldaviana aza ny manampahefana okrainiana. Tamin' ny 16 Nôvambra dia nanambara ny Minisiteran' ny Fanabeazana sy ny Siansa ao amin' ny governemanta okrainiana fa efa nanao dingana hanafoanana ny teny môldaviana sy hanoloana azy amin' ny fiteny romaniana.

Tamin' ny 16 Marsa 2023 dia nankatoavin' ny Parlemanta Môldaviana ny lalàna momba ny fanondroana ny tenim-pirenena ho romaniana ao amin' ny lahatsoratra rehetra momba ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Tamin' ny 22 Marsa dia namoaka ny lalàna ny filohan' i Môldavia, Maia Sandu.