Ady Lehibe Voalohany

Avy amin'i Wikipedia
Miaramila rosiana miandry ny miaramila alemana

Ny Ady Lehibe Voalohany dia adin' ny miaramila nisy tany Eorôpa tamin' ny 1914 ary tapitra tamin' ny taona 1918. Izy no isan' ny zava-misy tena nanamarika ny olombelona tamin' ny taonjato faha-20. Betsaka ny olona niady (60 tapitrisa), ny olona maty (9 tapitrisa), sy ny zavatra simba tamin' io ady io, ary tsy nisy ady nitovy tamin' io mihitsy talohan' ny 1914. Ny zavatra nitranga tamin' io Ady lehibe voalohany io dia ny famonoana ny vahoaka Armenianina (1915-1916) ny ady any Atlantika (1917) ary ny Tolom-piavotana Rosiana tamin' ny taona 1917. Nisy tany Eorôpa koa ny gripa.

Betsaka dia betsaka ny fanovana ara-toetany nandritra sy tao aorianan' io Ady lehibe io. Niongana ny ankabeazan' ny empira rehetra nisy tany Eorôpa (Ôtômana, Rosiana, Aotrisiana) ary betsaka ihany koa ny firenena teraka tao aorian' io. Tsy nisy intsony ny Empira Alemàna (Alemaina ankehitriny) ary lasa nihakely ny velaran-taniny. Naverina namboarina daholo ny sarin-tany Antsimo akaiky. Lasa Repoblika Entim-Bahoaka na Repoblika ny fanjakana taloha. Ary voaforona teo aorian' ny ady lehibe voalohany ny Firaisam-pirenena (frantsay: Société Des Nations -- SDN).

Ny pitik' afo nampisy an' io ady io dia ny nafatesan' i François-Ferdinand.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]