Aller au contenu

Besarabia

Avy amin'i Wikipedia
Sary famantarana ny Repoblika Demôkratikan' i Môldavia tamin' ny taoa 1917

I Besarabia dia anarana manondro fizaran-tanin' ny prinsipaotea romaniana maromaro taloha, any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Eorôpa, ary avy amin' ny tarana-mpanjaka valakianan' i Bassarab. Amin' ny heviny mahazatra indrindra dia manondro ny ilany atsinanan' i Môldavia ara-tantara izy io, eo anelanelan' ny renirano Prut sy ny ony Dniestr, ankehitriny ifampizaràn' i Môldavia sy Okraina.

Amin' ny teny teny romaniana izy dia atao hoe Basarabia; amin' ny teny rosiana kosa dia Бессарабия / Bessarabia; amin' ny teny okrainiana indray dia Бессарабія / Bessarabia.