Aller au contenu

Varangiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Varangiana na Varega dia ny Vikingy nonina tany Soeda (na firenena skandinaviana hafa izay nandeha tamin' ny Lalan' ny Atsinanana na Austrvegr), araka ny fiantsoan' ny tao amin' ny Empira Bizantina sy ny Slava Tatsinanana. Teo anelanelan' ny taonjato faha-9 sy faha-11 dia nanangana sy nitondra ny fanjakan' ny Rosin' i Kiev tamin' ny Andro Antenatenany, ary namorona ny mpiambina varangianan' ny emperora bizantina. Amin' ny teny nôrsa tranainy dia atao hoe Væringjar izy ireo fa amin' ny fiteny grka kosa dia Βάραγγοι / Barangoi na Βαριάγοι / Bariagoi.

Amin' ny heviny malalaka, ny teny hoe Vikingy dia manondro ny Skandinaviana rehetra tamin' ny vanim-potoana nampalaza ny Vikingy. Ny teny hoe Viking dia manondro ny Skandinaviana avy any Danemarka sy Nôrvezy ankehitriny, ary avy any Götaland (tapany atsimo-andrefan' i Soeda: Dalia, Bohuslän, Halland, Scania), izay nihetsika indrindra tany amin' ny Ranomasina Avaratra sy any amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Ny teny hoe Varangiana dia manondro ny Vikingy (amin' ny dikany hoe "Skandinaviana") any Soeda, izay nihetsika indrindra tany amin' ny Ranomasina Baltika sy tany Eorôpa Atsinanana, anisan' izany i Rosin' i Kyev, ary nanaraka ny lalana ara-barotr' i Volga sy ny lalana ara-barotry ny Varangiana mankany amin' ny Grika.

Araka ny filazan' ny boky fitantarana amin' ny teny rosiana tranainy hoe Повѣсть времяньныхъ лѣтъ / Povest' vremyan'nykh let, izay azo adika hoe Tantaran' ny Andro Lasa, dia nisy vondrona Varangiana nanorina an' i Novgorod tamin' ny taona 862 teo ambany fitarihan' i Ryurik. Mpivarotra sy mpikarama an' ady ary jiolahin-tsambo indraindray izy ireo, ary nanao diabe fanafihana voalohany tao amin' ny Persiana sy ny Arabo tamin' ny alalan' ny lalan' i Volga sy Kaspiana, avy eo tamin' ireo "lalana mankany amin' ny Grika", dia i Don, i Dniepr na i Dniestr izany, tany Kônstantinôpla. Imbetsaka izy ireo no nanafika ny tanàna bizantina maro teo amin' ny Ranomasina Mainty sy ny renivohitry ny empera, fanafihana izay voatosika nefa niteraka fifanaraham-pandriam-pahalemana izay nanome azy ireo tombontsoa ara-barotra isan-karazany. Tamin' izany fotoana izany, nanomboka nanompo tao amin' ny tafiky ny empira ny Varangiana, izay nahatonga azy ireo ho mpiaro manokana ny emperora, noho ny herim-pony sy ny tsy fivadihany tamin' ny emperora ary ny tsy firaharahany ny fikomiana tao an-dapa. Vetivety dia niaraka tamin' ny Varangiana danoà sy nôrveziana ny Varangiana soedoà voalohany, ary i Harald Sigurdarson no nalaza indrindra tamin' izy ireo. Ny fandresena nôrmana an' i Angletera sy ny fakana ity tanàna ity dia nahatonga ny fifindra-monin' ny mpiantafia anglô-saksôna sy danoà, ary ny sasany tamin' izy ireo dia nirotsaka an-tsehatra ary lasa anisan' ny mpiambina imperialy bizantina tamin' ny taonjato faha-12 ka hatramin' ny nianjeran' i Kônstantinôpla teo an-tanan' ny tafiky ny Empira Ôtômana tamin' ny taona 1453.

Tamin' ireo mpanjaka nanapaka tamin' ny vahoaka varangiana, ny malaza indrindra dia i Riurik sy i Harald III any Nôrvezy.