Aller au contenu

Asan-jiolahin-tsambo

Avy amin'i Wikipedia
Jack Sparrow, jiolahin-tsambo noforonina, ao amin' ny horonan-tsary Pirates of the Caribbean.

Ny asan-jiolahin-tsambo dia fandrobana na herisetra ataon' ny mpanafika avy amin' ny sambo iray mankeny amin' ny sambo hafa na amin' ny tanàna kely amorontsiraka, sy faritra ambanivohitra indraindray lavitry ny morontsiraka amin' ny fanarahana miakatra ny lalan' ny ony, ka ny tanjona amin' izany dia matetika mba hangalarana entam-barotra sy entana sarobidy hafa. Ireo izay manao izany asa ratsy izany no atao hoe jiolahin-tsambo. Tamin' ny taonjato faha-14 tal JK ny tranga nahitana asan-jiolahin-tsambo voarakitra voalohany indrindra, tamin' ny fanafihan' ny Vahoakan' ny Ranomasina, izay andiana mpandroba avy eny an-dranomasina, ny sambon' ny Sivilizasiôna Egeana sy Mediteraneana.

Efa ela no nohararaotin' ny jiolahin-tsambo ny lakandrano tery izay anatanterahana ny fitaterana an-dranomasina mankany amin' ny lalana azo vinavinaina fa handalovan' izany. Ohatra teo amin' ny tantara amin' ny faritra toy izany ny Helodranon' i Gibraltar, ny Andilan-dranon' i Malacca, i Madagasikara, ny Hoalan' i Aden, ary ny Lakandrano Anglisy, izay nanamora ny fanafihan' ny jiolahin-tsambo ny rafitra ara-jeôgrafiany. Matetika tsy tafiditra ao anatin' ny asan-jiolahin-tsambo ny heloka bevava atao amin' ny sambon' ny tena manokana (ohatra, ny halatra).

Anara heloka bevava manokana eo ambanin' ny lalàna iraisam-pirenena sy anaran' ny heloka bevava maromaro eo ambanin' ny lalàna anatiny ao amin' ny firenena sasany ny hoe "asan-jiolahin-tsambo". Mbola olana lehibe ho an' ny taonjato faha-21 ny asan-jiolahin-tsambo izay mamely ny sambo mpitatitra, ary tombanana ho 25 lavitrisa dôlara amerikana ny fatiantoka maneran-tany tamin' ny taona 2023, raha 16 lavitrisa dôlara amerikana izany tamin' ny taona 2004.

Ny fari-dranomasina eo anelanelan' ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasimbe Indiana, any amin' ny morontsiraka sômaliana sy ao amin' ny Andilan-dranon' i Malacca ary any Singaporo dia matetika no lasibatry ny jiolahin-tsambo mitondra fitaovam-piadiana mandeha hoazy, toy ny basy tsotra, basy ahafaha-manao tifitra variraraka, grenady ary fanipazana rôkety. Matetika izy ireo no mampiasa sambo kely misy môtera ho enti-manafika ny sambo lehibe, izany dia tetika anararaotana ny fahavitsian' ny tantsambo eny amin' ny sambo lehibe fitaterana. Miatrika fanamby maro ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin' ny fitondrana ireo jiolahin-tsambo ireo eny amin' ny fitsarana, satria matetika any amin' ny ranomasina iraisam-pirenena no mitranga ireny fanafihana ireny. Mampiasa ny tafika an-dranomasina ao aminy ny firenena manana izany mba hanosehana na hanenjehana ny jiolahin-tsambo, ary mampiasa mpiambina mitam-piadiana, fantson-drano avo tsindry, na fantsona manamafy feo, mba handroahana ny mpanafika, ary mampiasa radara mba hialana amin' ny loza mety hitranga.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]