Hankany amin'ny vontoatiny

Fitaterana an-dranomasina

Avy amin'i Wikipedia
Sambo miantsona eo an-tseranan-tsambo

Ny fitaterana an-dranomasina dia endrika isehoan'ny fitaterana izay tanterahina amin'ny fitaovam-pitaterana afaka mivoivoy eny an-dranomasina na an-dranomasimbe. Io no karazam-pitaterana io no misahana ny ankabeazan'ny fitaterana ny entam-barotra. Isan'ny fitaovam-pitaterana an-dranomasina ny lakana sy ny botry ary ny sambo.

Efa tsy be mpanao ankehitriny ny ftaterana olona an-dranomasina noho ny fandrosoan'ny fitaterana an'habakabaka. Tsy misy tavela amin'izany raha tsy ao amin'ny sehatra roa, dia ny fiampitana fohy sy ny fitsangantsanganana an-dranomasina. Manampy izany ny fandehanan-davitra anaovana fikarohana ara-tsiansa na anaovana fanatanjahantena, izay tsy tena mahakasika ny atao hoe fitaterana fa miompana amin'ny fikaraohana.

Ny sehatra iraisam-pirenena no tena ampiasàna ny fitaterana an-dranomasina, nefa fahita ihany koa ny fitaterana an-dranomasina mampifandray toerana roa na maro ao amin'ny morontsiraky ny firenena iray na eo anelanelan'ny tangoro-nosin'ny firenena iray na amin'ny tany lehibe sy ny nosy iray na maro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]