Fitaterana ana habakabaka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fitaterana an'habakabaka)
Fiaramanidina miandry fotoana hisidinana ao amin' ny seranam-piaramanidina any Singaporo.

Ny fitaterana ana habakabaka dia asa momba ny fitaterana mpandeha na entana izay atao eny amin' ny habakabaka atao amin' ny alalan' ny fiaramanidina, izay mahafaoka koa ny sehatra ara-toekarena mamondrona ireo asa lehibe na fanampiny mahakasika izany fitaterana izany.

Mpiasa ao amin' ny Austrian Airlines mikarakara ny mpandeha

Tamin' ny taona 2012 dia nahatratra 80 000 ny sidina ara-barotra tanteraka isan' andro (ka ny 28 000 amin' izany dia tao Eorôpa), zany hoe sidina miisa 29 200 000 tanatin' ny taona.

Eo amin' ny sehatra maneran-tany dia miomana amin' ny fitombon' ny fitaterana mpandeha izay ho roa heny ny Fikambanana Irasam-Pirenena momba ny Fitaterana ana Habakabaka eo anelanelan' ny taona 2019 sy 2037.

Orinasa mpitatitra ana habakabaka no misahana indrindra izany karazam-pitaterana izany, izay mampiasa fiaramanidina mpandeha lavitra afaka misidina any amin' ny 10 km miala ny tany. Ampahany kely dia kely no sahanin' ny angidimby. Ny fikarakarana atao hanomezana fahafaham-po ny mpandeha dia ny fivarotana tapakila, ny fanoratana ny anarana, ny fampidirana anaty fiaramanidina, ny fanomezana toerana mahafinaritra ao anaty fiaramanidina, sns.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]