Fitaterana an' arabe

Avy amin'i Wikipedia
Kamiao mpitatitra entana

Ny fitaterana an-dalambe na ny fitaterana an' arabe dia karazana fitaterana mampiasa lalana. Ny fitaterana eny an-dalana dia azo zaraina amin' ny ankapobeny ho fitaterana entana sy fitaterana olona ary ny fifindran-trano. Any amin' ny firenena maro, ny fepetra momba ny fahazoan-dalana sy ny fitsipika momba ny fiarovana dia miantoka ny fisarahan' ireo karazana fitaterana an-dalambe roa ireo. Mety amin' ny alalan' ny bisikileta, ny fiarakodia, ny fiara fitateram-bahoaka, ny kamiao, na ny biby toy ny soavaly na omby ny fifamoivoizana eny an-dalana. Noraisin' ny Rômana sy ny Persiana sy ny Azteka ary fanjakana hafa maro tany am-boalohany ny tambajotran-dalana, ary azo heverina ho anisan' ny zavatra nampiavaka ny empira. Ny entana dia azo entina amin' ny orinasam-pitaterana amin' ny kamiao, fa ny mpandeha dia azo entina amin' ny alalan' ny fitateram-bahoaka.

Posy-bisikileta any Bangladesy

Ny toetran' ny fitaterana entana an-dalana dia miankina amin' ny halaviran-dalana hitaterana ny entana sy ny lanjan' ny entana tsirairay ary ny karazan' ny entana hotaterina, ankoatra ny fivoaran' ny fotodrafitrasa eo an-toerana. Ho an' ny halavirana fohy sy entana kely maivana dia azo ampiasaina ny kamiônety na fiaramadinika fitateran' entana. Ho an' ny entana lehibe na dia latsaky ny kamiao feno aza dia ny kamiao no mety kokoa. Any amin' ny tany sasany, ny entana dia entina amin' ny sarety na kalesy tarihin-tsoavaly na tarihin' ampondra na amin' ny fomba hafa tsy misy môtera. Ny fanaterana entana amin' ny tompony dia heverina ho sokajin' asa misaraka amin' ny fitaterana entana. Any amin' ny firenena maro, ny sakafo haingana dia entina eny an-dalana amin’ ny alalan’ ny fiara isan-karazany. Ho an' ny fanaterana entana kely sy antontan-taratasy eo an-tanàna dia matetika vita amin' ny bisikileta.

Taterina an-dalana ny olona. Mety ho hita eny an-toerana ihany koa ny fomba fitateram-bahoaka manokana amin' ny lalana toy posy-bisikileta na taksy-bisikileta. Misy ihany koa ny fomba fitaterana an-dalambe manokana amin' ny toe-javatra manokana, toy ny fiara mpamonjy voina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]