Ampondra

Avy amin'i Wikipedia
Ampondra

Ny ampondra na boriky fiompy dia biby avy amin' ny borikidia afrikana, Equus africanus, izy io, ary azo sokajina ho toy ny zana-karazan' izy ireo, ny Equus africanus asinus, na ho karazany misaraka, Equus asinus. Nampidirina hompina tany Afrika ny ampondra 5 000 hatramin' ny 7 000 taona lasa teo ho eo izay, ary nofolahina ho lasa biby miasa indrindra hatramin' izay.

Ramole

Misy ampondra maherin' ny 40 tapitrisa eran-tany, ka any amin' ny tany tsy mandroso ny ankamaroany, izay amin' ny ankapobeny ompina fotsiny amin' izao na ampiasaina hitatitra olona na entana. Raha matetika ny ampondra mpiasa dia mifandray amin' ny olona tsy ampy fivelomana, misy boriky na ampondra vitsivitsy tezaina ho an' ny fampitomboana taranaka na ho biby tsy mahasaraka any amin' ny tany mandroso.

Matetika ny ampondralahy dia ampifanambadina amin' ny soavaly vavy mba hamokarana ramole izay mitovitovy endrika amin' ny ampondra; ny zanaky ny soavaly lahy sy ampondra vavy dia ny hinny amin' ny teny anglisy fa bardot amin' ny teny frantsay, izay manakaiky endrika ny soavaly.