Firenena an-dalam-pandrosoana

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tany ara-toekarena maneran-tany tamin' ny taona 2008.     Firenena mandroso      Firenena an-dalam-pandrosoana      Firenena tsy mandroso indrindra      Tsy misy zava-pantatra

Ny firenena an-dalam-pandrosoana, amin' ny fanasokajiana mahazatra indrindra, dia firenena tsy dia mandroso ara-toekarena raha mitaha amin' ny firenena tavaratra na firenena mandroso.

Nasolo ny anarana teo aloha, izay heverina ho tandrify, lany andro na tsy marina io andian-teny io: firenen' ny "Andian-tany fahatelo" na "firenena tsy mandroso".

Ny firenena an-dalam-pandrosoana, araka ny filazan' ny mpanoratra sasany toa an' i Walt Whitman Rostow, dia firenena mifindra avy amin' ny fomba fiaina nentim-paharazana ho amin' ny fomba fiainana môderina nanomboka tamin' ny revôlisiôna indostrialy tany Angletera tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19.

Ny firenena tsy mandroso indrindra (FTMI) dia sokajy tsy miavaka tsara: ny ankamaroan' ireo firenena ireo dia an-dalam-pandrosoana, firenena mirotsaka amin' ny dingan' ny fampandrosoana; voaporofo amin' ny fivoaran' ny tondrom-pandrosoan' ny maha olona (frantsay: Indice de développement humain – IDH) ao amin' izy ireo izany. Na izany aza dia ahitana fandrosoana ara-toekarena ambany kokoa noho ny an' ny firenena an-dalam-pandrosoana hafa izy ireo, izany dia manamarina ny fampidirana azy ireo ao amin' ny lisitry ny FTMI, izay novolavolain' ny United Nations Conference on Trade and Development  – UNCTAD (anglisy) na ny Conférence des Nations unies sur le commerce et le développement – CNUCED (frantsay).

Tamin' ny fanontana ny tondrom-pandrosoana (na tondro ara-toekarena) ny taona 2016, ny Banky Iraisam-Pirenena dia sambany nanavaka ny atao hoe "firenena an-dalam-pandrosoana" sy ny "firenena mandroso". Fanasokajiana efa lany andro izany araka io banky io. Na izany aza, tsy izany no zava-misy ho an' ny Fandaharan' Asan' ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (frantsay: Programme des Nations unies pour le développement – PNUD) ao amin' ny tatitra isan-taona momba ny fampandrosoana ny maha olona (frantsay: Développement humain).

Ny firenena an-dalam-pandrosoana dia matetika manana toetra iraisana vokatry ny tantarany na ny jeôgrafiany. Ohatra, momba ny fanjanahantany, ny risika ara-pahasalamana, ary raha ampitahaina amin' ny firenena manana fidiram-bola be: ambany ny fahafaha-mahazo rano fisotro madio, ny tolotra ara-pahasalamana, ny fahadiovana sy ny fidiovana, ny fahantrana amin' ny angovo, ny haben' ny fandotoana (ohatra ny fahalotoan' ny rivotra, ny fako, ny fahalotoan' ny rano, fangerena an-kalamanjana), ny ampahany be amin' ny mponina voan' ny aretina trôpikaly sy areti-mifindra (aretina trôpikaly tsy misy miraharaha), lozam-pifamoivoizana betsaka kokoa, ary fotodrafitrasa ratsy kokoa amin' ny ankapobeny.

Ankoatra izany, matetika dia ambony ihany koa ny tahan' ny tsy fananana asa, ny fahantrana mahazo ny ankamaroan ' ny mponina, ny mosary mahazo ny olona maro, ny fahantrana lalina, ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny tsy haratsian-tsakafo, ny tsy fananana trano fonenana, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fivarotan-tena, ny fahabetsahan' ny mponina be loatra, ny fandosiran' ny manam-pahaizana, ​​ny halehiben' ny toekarena tsy ara-dalàna, ny tahan' ny heloka bevava (fakana vola tsy ara-dalàna, fandrobana, vaky trano, vono olona, ​​faty olona, ​​fanondranana sy fanafarana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, fivarotana olona ho an' ny firaisana ara-nofo, fivarotana zava-mahadomelina, fakana an-keriny, fanolanana), ambany ny fari-panabeazana, tsy fitoviana ara-toekarena, fandaozan' ny zaza ny sekoly, tsy fahampian' ny fandrindram-piterahana, fitondrana vohoka aloha loatra, toeram-ponenana tsy ara-dalàna sy trano fonenana ratsy, kolikoly amin' ny ambaratonga rehetra eo amin' ny fitondràm-panjakana, ary ny tsy filaminana ara-pôlitika.

Matetika no ambany ny fahafaha-mahazo fitsaboana. Matetika koa ny olona any amin' ny tany an-dalam-pandrosoana no manana salam-pahalava velona ambany kokoa noho ny any amin' ny firenena mandroso, izany dia mampiseho ny tahan' ny fidiram-bola ambany kokoa sy ny fahasalamam-bahoaka ratsy kokoa. Ny vesatry ny areti-mifindra sy ny fahafatesan' ny renin-jaza ary ny fahafatesan' ny zaza dia matetika ambony kokoa any amin' ireo firenena ireo. Ny fiantraikan' ny fiovaovan' ny toetrandro dia heverina fa hisy fiantraikany be amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana mihoatra noho ny amin' ny firenena manana fidiram-bola ambony, satria ny ankamaroan' izy ireo dia marefo eo amin' ny lafiny ara-toetany na ambany ny fahatantezany ny toetrandro.

Tsy fahita firy mihitsy aza ny fahanteran' ny mponina (fahamaroan' ny olona antitra raha mlitaha amin' ny sokajin-taona hafa) any amin' ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny firenena an-dalam-pandrosoana dia matetika misy mponina manana taona anelanelany ambany kokoa noho ny firenena mandroso.

Ny fanampiana ho an' ny fampandrosoana na ny fiaraha-miasa amin' ny fampandrosoana dia fanampiana ara-bola omen' ny governemanta vahiny sy ny sampan-draharaha hafa hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-tontolo iainana, ara-tsôsialy ary ara-pôlitika ao amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana. Raha tanteraka ny "tanjon' ny fampandrosoana maharitra" nofaritan' ny Firenena Mikambana ho an' ny taona 2030 dia ho resy ny ankamaroan' ireo olana ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]