Firenena mandroso
Ny firenena mandroso dia firenena manana kalitaom-piainana ambony sy toekarena mandroso ary fotodrafitrasa ara-teknôlôjia avo lenta raha oharina amin' ny firenena tsy dia mandroso loatra. Amin' ny ankapobeny, ny fepetra anombanana ny haavon' ny fampandrosoana ara-toekarena dia ny harin-karena faobe, ny fidiram-bolan' ny tsirairay, ny haavon' ny fisian' ny indostria, ny habetsaky ny fotodrafitrasa miparitaka ary ny fari-piainana ankapobeny. Ny amin' ny karazana mason-tsivana tokony hampiasaina sy ny firenena azo sokajiana ho mandroso no lohahevitry ny adihevitra. Famaritana samihafa momba ny firenena mandroso no omen' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena sy ny Banky Maneran-Tany; Ambonin' izany, ny laharan' ny tondrom-pandrosoan' olombelona dia ampiasaina hanehoana ny tondro mitambatra amin' ny salan-kaela velona, ny fanabeazana ary ny fidiram-bola isan' olona. Tamin' ny taona 2023 dia firenena 40 no mahafeno ireo fepetra efatra ireo, raha firenena 19 fanampiny kosa no mahafeno ny telo amin' ny efatra.
Ny firenena mandroso dia manana toekarena mandroso kokoa taorian' ny fampiroboroboana ny indostria, midika izany fa ny sehatry ny serivisy dia manome harena bebe kokoa noho ny sehatry ny indostria. Mifanohitra amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana izay ao anatin' ny fitodoana mankany amin' ny fampiroboana ny indostria na efa manakaiky ny fandrosoan' ny indostria ary saika miompana amin' ny fiompiana sy ny fambolena tanteraka, ny sasany amin' izy ireo dia tafiditra ao anatin' ny sokajy misy ny firenena ambany fandrosoana indrindra. Tamin' ny taona 2023, ny firenena manana toekarena mandroso manana ny 57,3 % mifototra amin' ny sandan-tsorabolan' ny harin-karena faobe eran-tany sy ny 41,1 % amin' ny harin-karena faobe eran-tany (mifototra amin' ny fampitahana ny fahefa-mividin' ny firenena rehetra) araka ny filazan' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena.
Firenena mandroso araka ny fepetra samihafa
[hanova | hanova ny fango]Firenena mandroso araka ny WESP
[hanova | hanova ny fango]Araka ny tatitry ny Departemantan' ny Firenena Mikambana momba ny Toekarena sy ny Sôsialy ao amin' ny World Economic Situation and Prospects, dia ireto firenena 37 manaraka ireto dia sokajiana ho firenena manana toekarena mandroso tamin' ny Janoary 2024:
- firenena 31 ao Eorôpa: Alemaina, Aotrisy, Belzika, Bolgaria, Danemarka, Espaina, Estônia, Fanjakana Mitambatra, Finlandy, Frantsa, Grisia, Hongria, Irlandy, Islandy, Italia, Kiprôsy, Krôatia, Letônia, Litoania, Loksemborga, Malta, Nederlandy, Nôrvezy, Pôlônina, Pôrtogaly, Repoblika Tseky, Romania, Slôvakia, Slôvenia, Soeda, Soisa;
- firenena ro ao Amerika Avaratra: Etazonia sy Kanada;
- firenena efatra ao Azia sy Pasifika: Aostralia, Japàna, Kôrea Atsimo, Zelandy Vaovao.
Firenena be fidiaram-bola araka ny Banky Maneran-Tany
[hanova | hanova ny fango]Araka ny filazan' ny Banky Maneran-Tany, ireto firenena sy fizaràn-tany 85 manaraka ireto dia sokajiana ho manana toekarena ambony indrindra, ahitana fidiram-bola isam-batan' olona mihoatra ny $14,005 tamin' ny taona 2024 (ny fizaràn-tany tsy manana fiandrianana manokana dia asina kintana *): Alemaina, American Samoa*, Andôra, Antigoa-sy-Barboda, Aostralia, Aotrisy, Arabia Saodita, Aruba*, Bahamasy, Barbady, Bareina, Belzika, Bermuda*, Bolgaria, British Virgin Islands*, Broney, Cayman Islands*, Channel Islands*, Curaçao*, Denemarka, Emirata Arabo Mitambatra, Espaina, Estônia, Etazonia, Fanjakana Mitambatra, Faroe*, Finlandy, Frantsa, Gibraltar*, Goiana, Grinlandy*, Grisia, Guam*, Hong Kong*, Hongria, Irlandy, Islandy, Isle of Man* Israely,Italia, Japàna, Kanada, Katara, Kiprôsy, Kôeity, Kôrea Atsimo, Krôatia, Letônia, Liektenstaina, Litoania, Loksemborga, Macao*, Malta, Mônakô, Naoro, Nederlandy, Northern Mariana Islands*, Nôrvezy, Nouvelle-Calédonie*, Ômana, Orogoay, Palaô, Panamà, Pôlônia, Polynésie française*, Pôrtogaly, Puerto Rico*, Repoblika Tsekia, Romania, Rosia, Saint Martin*, San-Marîno, Santa-Kity-sy-Nevisy, Seisely, Sily, Singaporo, Sint Maarten*, Slôvakia, Slôvenia, Soeda, Soisa, Taioana, Trinite-sy-Tôbagô, Turks and Caicos Islands*, United States Virgin Islands* ary Zelandy Vaovao.