Hankany amin'ny vontoatiny

Fiovan' ny toetany

Avy amin'i Wikipedia
Fiovan'ny fambolena. Misy fiatraikany ratsy amin'ny fambolena ny haintany sy ny fiakaran'ny maripana ary ny toetrandro mahery vaika. Texas, Etazonia.

Ny fiovan'ny toetany dia fiovana maharitra miseho amin'ny lamin-drafitry ny toetany amin'ny faritra iray na maneran-tany, izay maharitra ela kokoa noho ny fiovana eo amin' ny toetrandro. ary mitranga mandritra ny fotoana lava, manomboka amin'ny taona vitsivitsy ary mety mahatratra taona an'arivony na an-tapitrisany. Misy koa ny manao hoe "fiovaovan' ny toetrandro" nefa ny teny hoe "toetrandro" (amin' ny fotoana tsy maharitra, mety ho iray andro na andro vitsivitsy monja) dia tsy mitovy hevitra amin' ny hoe "toetany" (maharitra am-polony na an-jato taona na mihoatra aza).

Pangea

Ny fiovana dia mety ho voajanahary, vokatry ny toetran'ny Tany (fiovana anatiny), vokatry ny zavatra avy ety ivelany na vokatry ny asan'ny olombelona (fiovan'ny toetany ankehitriny vokatry ny fandefasana etona mampihiboka hafanana, indrindra amin'ny fampiasana fandrehitra avy any anaty tany).

Niova ny toetany nandritra ny tantaran'ny Tany, miaraka amin'ny fiovan'ny toetany eo anelanelan'ny vanim-potoana jeôlôjika samihafa.

Faritra maro ao Madagasikara ihany koa no lasibatr'ireo vokadratsy entin'ny fiovan'ny toetany.[1]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://mg.globalvoices.org/2025/02/04/173516/