Aller au contenu

Vikingy (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Vikingy dia anarana vaovao nomena ny jiolahin-tsambo nôrdika na tantsambo avy any amin'ny tapany atsimon' i Skandinavia (Danemarka sy Nôrvezy ary Soeda ankehitriny) izay nanafika, nanao piraty, nivarotra ary nanorim-ponenana nanerana ny faritr' i Eorôpa tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-8 ka hatramin' ny faran' ny taonjato faha-11. Nandeha an-tsambo hatrany Mediteranea, Afrika Avaratra, Afovoany Atsinanana ary Amerika Avaratra koa izy ireo. Any amin' ny firenena sasany notafihiny sy nonenany dia fantatra amin' ny anarana hoe "vanim-potoana Vikingy" io vanim-potoana io, ary ny teny hoe "Vikingy" dia matetika koa no anondroana ny mponina ao amin' ny tanindrazana Nôrdika amin' ny fitambarany.