Empira Bizantina
Ny atao hoe Empira Bizantina dia ny empira kristiana grika tatsinanana izay mpandova ny Empira Romana Tatsinanana, izay nitoetra teo amin’ny faritra atsinanan’i Eoropa nandritry ny taonjato fahaefatra hatramin’ny taona 1453.
Tamin’ny taona 330, rehefa avy nampahatokana ny Empira Romana, dia noforonin’i Konstantina ny tanànan’i Konstantinopla izay natao ho «Roma Vaovao» teo amin’ny terana nisy an’i Bizansa taloha. Nampihatsinanana ny afovoan’ny Empira Romana. Nosarahan’i Teodôsiosy ho empira roa samy manana ny renivohiny ny Empira Romana tamin’ny taona 395. Tsy naharitra ela anefa ny Empira Romana tandrefana fa nitontongana tanteraka tamin’ny 476 noho ny fanafihan’ireo mponina jermanika izay nonina teo moron’ny sisintanin’ny Empira Romana Tandrefana. Nahatohitra ireo mpanafika jermanika ny Empira Romana Tatsinanana ka noho ny tsifisian’ny Empira Romana Tandrefana intsony dia natao ho Empira Bizantina no anarany.