Mpikarama an' ady

Avy amin'i Wikipedia
Condottiere, sary nataon' i Léonard de Vinci tamin' ny taona 1475.

Ny mpikarama an' ady dia vahiny mpiady matihanina manampy firenena miady na orinasa na hetsika ara-pôlitika na fikambanana hafa miady, mandray anjara mivantana amin' ny ady, ivelan' ny rafitra ara-dalàna momba ny fandraisana miaramila. Tsy maintsy mahazo tombony manokana - izay miendrika tambin-karama ambonimbony kokoa noho ny an' ny namany ao amin' ny tafika ara-dalàna.

Amin' ny ankapobeny, ny asan' ny mpikarama an' ady dia ilaina rehefa misy hetsika ara-miaramila voatondro mazava sy mandritra ny fotoana voafetra. Na izany aza, ny faharetan' ny fifampiraharahana sy ny maha vonjimaika na maharitra ny asany dia tsy fepetra anavahana ny miaramila mahazatra sy ny mpikarama an' ady, satria ny mpikarama an' ady sasany dia azo omena andraikitra maharitra. Sahaka amin' izany ny mpiambina varangiana[1] tao amin' ny emperoran' i Bizantioma tamin' ny Andro Antenatenany sy ny Soisa mpiambina ny papa amin' izao fotoana izao, izay tsy heverina ho mpikarama an' ady araka ny Fifanarahana tao Geneva[2].

Tany Frantsa, ny mpanjaka dia naka Ekôsey sy Soisa ho mpiambina manokana. Tany Italia, ny mpikarama an' ady, izay antsoina hoe condottieri, dia nampiasain' ny andriandahy mandra-pahatongan' ny Renaissance, ary ny fianakavian' ny mpikarama an' ady sasany, toy ny fianakaviana Sforza, dia nahazo fahefana lehibe.

Ny miaramila vahiny mirotsaka an-tsitrapo toy ny mpikambana ao amin' ny Légion étrangère française[3] na ny Gurkha[4] dia tsy mpikarama an' ady na dia mahafeno ny fepetra sasantsasany ao amin' ny andininy faha-47 amin' ny prôtôkôly fanampiny amin' ny Fifanarahana tao Geneva tamin' ny 12 Aogositra 1949 momba ny fiarovana ireo niharam-boina amin' ny ady mitam-piadiana iraisam-pirenena.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Ny mpiambina varangiana na varega vondron' olona sangany tao amin' ny tafika bizantina ahitana mpikarama an' ady skandinaviana tamin' ny voalohany, avy eo anglô-saksôna, izay niantoka ny fiarovana akaiky ny emperora, tamin' ny taonjato faha-10 ka hatramin' ny taonjato faha-14.
  2. Ny Fifanarahana tao Geneva dia fifanarahana iraisam-pirenena maromaro eo amin' ny sehatry ny lalàna iraisam-pirenena momba ny maha-olona. Ireo fifanarafana ireo no mandidy ny fitsipi-pitondran-tena tokony harahina amin' ny fotoan' ny ady mitam-piadiana, ary indrindra momba ny fiarovana ny sivily, ny mpiasan' ny fanampiana maha-olona, ​​ny maratra ary ny gadra an' ady.
  3. Ny Légion étrangère dia tafika, hery miady ao amin' ny Tafika an-tanety frantsay manana fibaikoana manokana ary misy fizaràna araka ny fitaovam-piadiana maromaro: miaramila an-tongotra, mpitaingin-tsoavaly, injeniera ary tafika entina fiaramanidina..
  4. Ny Gurkha dia vondrona tao amin’ ny tafika britanika sy indiana, noraisina avy tao Nepaly.