Prôtektôrata

Avy amin'i Wikipedia

Ny prôtektôrata dia endri-pitondrana ara-pôlitika izay iray amin' ny endrika fanekena ny fanjanahan-tany, ka ny firenena mpanjanaka no "mpiaro" fa ny firenena zanahina no "arovana". Tsy mitovy amin' ny fanjanahan-tany mivantana izany satria ny sata sasany sy ny andrim-panjakana misy, anisan' izany ny zom-pirenena, dia voatazona amin' ny fomba ôfisialy, ka ny firenena mpiaro no misahana ny diplômasia, ny varotra ivelany, ary koa ny tafik' ilay fanjakana arovana.

Ny fampiasana ny teny hoe "prôtektôrata" dia azo anondroana ny tany miankinan-doha sy ny tany manana fiandrianam-pirenena voafetra, na anondroana ny fitondrana ara-pôlitika heverina ho eo ambany fitarihan' ny firenena matanjaka kokoa: amin' ity tranga faharoa ity dia fiteny ny hoe "governemanta saribakoly".

Ny prôtektôrata, eo amin' ny tontolon' ny fifandraisana iraisam-pirenena, dia firenena iray eo ambany fiarovan' ny firenena hafa ho fiarovana azy amin' ny herisetra sy fanitsakitsahan-dalàna hafa avy any ivelany. Tany miankina manana fizakan-tena amin' ny ankamaroan' ny raharaha anatiny izy io, nefa mbola manaiky ny fanjakazakan' ny firenena matanjaka kokoa, nefa tsy lasa fananana ilay firenena arovana. Ho takalon' izany fiarovana izany, ny prôtektôrata dia mazàna manaiky adidy voafaritra araka ny fepetran' ny fandaminana. Matetika ny prôtektôrata dia apetraka araka ny lalàna iraisam-pirenena amin' ny alalan' ny fifanarahana. Ao anatin' ny tranga sasany – tahaka an' i Ejipta teo ambany fitondran' ny Britanika (1882 - 1914) – dia azo lazaina ho toy ny prôtektôrata tsy araka ny lalàna na prôtektôrata voasarona ihany koa ny fanjakana iray.

Ny prôtektôrata dia tsy mitovy amin' ny zanatany satria manana ny mpitondrany eo an-toerana izy, tsy fananana mivantana izy, ary zara raha misedra ny fanjanahana ataon' ny fanjakana mpiaro. Ny fanjakana eo ambany fiarovan' ny fanjakana hafa, nefa mitazona ny maha izy azy eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena, dia antsoina hoe "fanjakana arovana", fa tsy prôtektôrata.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]