Aller au contenu

Fiteny krôatiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny krôatiana na fiteny krôaty dia karazan' ny fiteny serbô-krôatiana, fiteny slava atsimo ampiasain' ny Krôatiana any Krôasia sy any amin' ny firenena manodidina. Ny fiteny serbô-krôatiana dia antsoina koa amin' ny haifiteny hoe fiteny stôkaviana, na fiteny BKMS (bôsniana-krôatiana-môntenegrina-serbiana) araka ny anarany ôfisialy efatra ao Bôsnia-Herzegôvina, Krôasia, Môntenegrô ary Serbia.

Avy amin' ny fomba fijery sôsiôlingistika, ny fiteny serbô-krôaty dia fiteny nampanarahim-penitra isan-karazany mahazatra amin' ny Serba, ny Krôatiana, ny Bôsniaka ary Môntenegrina, mifototra amin' ny fitenin-paritra "stôkaviana", ny anarana ôfisialy hafa sy ny endrika manara-penitra dia ny fiteny serbiana, ny fiteny bôsniana ary ny fiteny môntenegrina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]