Asiriana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Saina ammpiasain' ny ankamaroan' ny Asiriana

Ny Asiriana (ܣܘܪ̈ܝܐ , Sūrāyē / Sūrōyē ) dia foko teratany any Atsinanana Afovoany. Misy milaza tena ho Siriana, Kaldeana, na Arameana izy ireo. Ny Asiriana ankehitriny dia Kristiana siriaka izay milaza fa avy tao amin' ny tanin' i Asiria taloha, izay iray amin' ny sivilizasiôna tranainy indrindra eran-tany, nanomboka tamin' ny taona 2500 tal. J.K. tany Mezôpôtamia fahiny.

Ny Asiriana ankehitriny dia ny Kristiana tatsinanana rehetra any amin' ny faritr' i Mezôpôtamia miteny amin' ny tenim-paritra neô-arameana na neô-aramaika (atao hoe fiteny siriaka), manana lova iombonana, izay monina indrIndra any Iràka, any Siria, any Iràna ary any Torkia ny ankamaroany. Ireto avy izy ireo araka ny fivavahana arahiny avy: Katôlika kaldeana, Prôtestanta asiriana, Ôrtôdôksa siriaka, Katôlika siriaka, Apôstôlika asiriana, Fiangonana Tatsinanana Tranainy.

Katôlika kaldeana nivavaka tao amin' ny Qurbana Masina any Bagdad, Iràka

Ny olana momba ny anaran' izy ireo dia iadian-kevitra eo amin' ireo olona voakasik' izany, ny manam-pahaizana sy ny mpanao gazety dia samy mampiasa ny teny hoe Asiriana sy ny hoe Asiriana-Kaldeana, ka ity anarana farany ity dia tsy ampiasaina afa-tsy hanondroana ny Asiriana ao amin' ny Fiangonana Kaldeana.

Ireo izay nanorim-ponenana any Rosia, lasa Firaisana Sôvietika taty aoriana, no hany nahazo tombony tamin' ny fanekena azy ireo ho "vahoaka" (narod), izany hoe vondrom-poko, miaraka amin' ny fiarovana ny fiteniny sy ny kolontsainy tsy misy fanavahana firehana ara-pivavahana, amin' ny anarana hoe Aisor ("Asiriana").

Any amin' ny firenena hafa ao amin' ilay faritra, izay rehetra fanamafisana ny maha izy ny foko vitsy an' isa dia notoherin' ny governemanta isan-karazany, eny fa niharan' ny fandatsahan-dra, toy ny tany Iràka, ka izany dia manazava amin' ny ampahany ny olana amin' ny fananganana firenena sy ny fanomezana anarana iombonana hanondroan' izy ireo ny tenany.

Tamin' ny fanisam-bahoaka natao tany Aostralia, Kanada, Etazonia ary Zelandy Vaovao, ny teny ampiasaina dia ny hoe Asiriana, toy ny any Armenia sy Jeôrjia. Tsy misy fanisana ara-poko any Afovoany Atsinanana (afa-tsy any Israely, izay ahitana Asiriana vitsy).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]